Ikotofetsy sy Imahakà - 6) Ilay mpanankarembe sy ilay fasana
Indray andro hono, henon'Ikotofetsy sy Imahakà fa maty ilay mpanakarembe anankiray
Raha amin'ny teny frantsay, dia peho eto 👇
Indray andro hono, henon'Ikotofetsy sy Imahakà fa maty ilay mpanakarembe anankiray.
Dia faly ery izy roalahy sady nitafatafa hoe ahoana no hatao hahazoany ny harenan'ilay mpanakarembe.
Ka hoy Ikotofetsy:
"Aleo miandry ny fandevenana ho vita isika, ka ny harivan'iny ihany, dia misy iray amintsika roalahy misitrika ao am-pasana, dia ny iray amintsika roalahy mandeha miresaka amin'ireo mana-manjo"
Nanaiky Imahakà hoe mety izany eritreritra izany, saingy lasa ny sainy hoe iza no hisitrika ao am-pasany, ka nanontany izy hoe:
"Iza no hisitrika ao am-pasany?"
Dia namaly Ikotofetsy hoe:
"Aleo ialahy ry Imahakà no hisitrika ao am-pasany, dia izaho no handresy lahatra ny fianakaviana ho eny am-pasany"
Sahirantsaina kely ihany Imahakà nieritreritra hoe raha ity moa ka tsy sokafan'Ikotofetsy eo intsony ny fasana dia tavela ao anatiny ao izy tsy tafavoaka intsony. Fa nanaiky ihany izy, tsy nahavita nandà, sady nitaintaina fatratra.
Dia lasa izy roalahy tany am-pasany, dia nosokafany, dia niditra Imahkà, dia nakaton'Ikotofetsy, dia lasa izy nankany amin'ny fahoriana.
Nony tonga tany izy, dia mody nigogogogo nitomany. Gaga daholo ny iray trano hoe iza koa ity migogogogo mitomany ity. Samy nifampijerijery, hoe mety misy mahalala ve.
Dia sady nigogogogo ihany Ikotofetsy no niteny hoe:
"Idada a! Idada a! Maninona aho no dia nilaozanao?"
Taitra ny iray trano. Nimonomonona am-pitoerana aloha, avy eo niteny an-katezerana ny lahimatoan'ilay mpanakarembe maty nanao hoe
"Idada? Idada idada amin'ny ahoana koa? Fa iza ianao no sahy mandainga ohatra an'izao?"
Dia vao mainka nigogogogo Ikotofetsy nanao hoe:
"Idada! Idada! Tsy nolazainao tamin-dry zareo angaha hoe zanakao aho?"
Dia vao mainka nihatezitra ilay olona nanao hoe:
"Mangina ity vava!"
Dia somary nijanona kely ny tomanin'Ikotofetsy, ka hoy izy hoe:
"Raha tsy mino aho ianareo, idada kosa tsy maintsy inoanareo. Andao ho eny am-pasana, dia hanontaniantsika idada"
Dia lasa daholo ny olona nankeny am-pasana. Dia nanontany ilay olona hoe:
"Idada! Idada! Tena zanakao tokoa ve io?"
Tsy nisy namaly. Dia nanontany fanindroany ilay olona.
"Idada! Idada! Tena zanakao tokoa ve io?"
Tsy nisy namaly. Dia hoy ilay olona hoe:
"Hitanao izany? Tsy mamaly izy satria tsy zanany izany ianao fa mpisandoka"
Sady nimonomonona ny olona nanaiky an'izany teny izany.
Nanontany tampoka Ikotofetsy:
"Idada! Idada! Mba lazao ireto olona ireto hoe tena zanakao tokoa aho fa malahelo ny foko"
Dia nisy feo somary kentsona nivoaka avy ao am-pasana nanao hoe:
"Zanako tokoa ialahy!"
Dia gaga be daholo ny olona. Niaiky ry zareo hoe zanany tokoa Ikotofetsy, ary amin'ny maha zanany azy, dia tsy maintsy mahazo ny anjara lovany izay ampahany lehibe amin'ny fanjakana sy harem-be mihitsy.
Imahakà nitaintaina fatratra hoe hiverina ve Ikotofetsy sa tsia. Dia efa saika lasa Ikotofetsy, saika navelany tao am-pasana Imahakà, saingy tsy zakany ny harem-be azony, ka nosokafany Imahakà, amin'izay misy mibata ilay harem-be miaraka aminy.
👇👇👇