Ikotofetsy sy Imahakà - 11) Ilay nanomboka nivadika ny rasa

Indray andro hono, nahita rangahy iray somary varimbariana  fa naranitra izay Ikotofetsy sy Imahakà, ka tapakevitra izy roalahy fa ndeha hanaovana sangy ratsy

Ikotofetsy sy Imahakà - 11) Ilay nanomboka nivadika ny rasa, nosoratan'i Mose Njo
Ikotofetsy sy Imahakà - 11) Ilay nanomboka nivadika ny rasa, nosoratan'i Mose Njo.
audio-thumbnail
Ilay nanomboka nivadika ny rasa
0:00
/127.8

Raha amin'ny teny frantsay, dia peho eto 👇

Ikotofetsy et Imahakà - 11) Le vent commence à tourner
Il était une fois, Ikotofetsy et Imahakà qui ont croisé un monsieur un peu étourdi mais malin

Indray andro hono, nahita rangahy iray somary varimbariana  fa naranitra izay Ikotofetsy sy Imahakà, ka tapakevitra izy roalahy fa ndeha hanaovana sangy ratsy.

Dia mody natoniny, dia mody noresahiny, dia mody notsikitsikiany. Dia falifaly ilay rangahy, tsy nanam-po mihitsy hoe ny hisangy ratsy aminy anie no tanjon'ireto Ikotofetsy sy Imahakà ireto.

Dia mody niteny Ikotofetsy hoe:

"Hono ho'aho, sao dia afaka manampy anahy ianao, fa latsaka atsy anaty lavaka atsy ambadika atsy ny reniko?"

Dia nanaiky ilay rangahy, tsy nisalasala akory, kanefa nony lasa tao ambadika tao dia nofinganin'Imahakà, ka nianjerana tao anaty rano.

Dia nikakakaka nihomehy Ikotofetsy sy Imahakà sady naneso an'ilay rangahy latsaka tao anaty rano ka kotsa tanteraka.

Tezitra anefa ilay rangahy. Nanararaotra ny fahatsorany Ikotofetsy sy Imahakà ka niteny izy anakampony hoe:

"Nanararaotra ny fahatsoratra ireny olona ireny, fa manomboka izao kosa aho mitandrina tsara, ary mbola mifanena amiko irey Ikotofetsy sy Imahakà ireny dia tsy ho tratrany intsony aho, tsy mba olona tsara ireny, ary mino aho fa betsaka ny olona nanaovany ratsy"

Nanomboka teo hono no efa niandriandry an'Ikotofetsy sy Imahakà daholo ny olona nanaovany ratsy.


💡
Le Blog de Mose Njo est gratuit, si vous voulez contribuer à garder cette gratuité du Blog pour un libre accès inclusif, achetez Lisy Mianjoria en cliquant ici (si vous êtes hors Madagascar) ou dans toutes les bonnes librairies ou encore un tips, ce serait bien sympa 🤗

👇👇👇