Ikotofetsy sy Imahakà - 1) Ilay nofy tsara indrindra
Indray andro hono, nisy an'izany lehilahy anankiroa antsoina hoe Ikotofetsy sy Imahakà izany
Raha amin'ny teny frantsay,
dia peho eto
👇
Indray andro hono, nisy an'izany lehilahy anankiroa antsoina hoe Ikotofetsy sy Imahakà izany.
Ikotofetsy dia olona faran'izay fetsifetsy ratsy mpamitapika olona ary tiakely tsy mitsinjo ny hoavy mihitsy.
Ary Imahakà indray dia mitovy amin'Ikotofetsy mihitsy. Fetsifetsy ratsy mpanambaka olona ary tiakely tsy mieritreritra afa-tsy ny tombontsoany eo no ho eo ihany.
Indray mandeha hono, nifanena Ikotofetsy sy Imahakà tao anaty tranon'olona anankiray izay, ary efa samy noana dia noana izy roalahy.
Tsy an'Ikotofetsy ilay trano, sady tsy an'Imahakà ihany koa, fa dia niditra tao an-tranon'olona fotsiny fa nahare fofon-kanina.
Tsy tao ny tompontrano tamin'izay ary nifampijery fotsiny Ikotofetsy sy Imahakà rehefa nahita an'ilay vary efa masaka sy ilay laoka izay tonga dia heno amin'ny fofony fa matsiro dia matsiro.
Ampy azy roalahy tsara ilay vary sy laoka, raha mbola niampy olona anankiroa aza dia mbola mahavoky tsara ka avy hatrany dia naka vilia Imahakà, nandray ny sotrobe andeha handoatra no nosakanan'Ikotofetsy sady noteneniny hoe:
"Aoka aloha Imahakà a! Andao isika roalahy hatory ka izay manonofy tsara indrindra no mahazo mihinana ny sakafo rehetra", sady niravaka tsiky kely ny tarehiny, toy ny hoe manana eritreritra tsy hay hoe inona izany izy.
Nieritreritra kely Imahakà, dia hoy ny navaliny hoe:
"Eny àry!", sady niravaka tsiky ihany koa ny tarehiny, toy ny manana eritreritra tsy hay hoe inona izany izy.
Dia lasa izy roa lahy natory, ka nony nifoha, dia hoy Imahakà:
"Nanonofy aho hoe nisy tohatohabato tsara tarehy sy lava be namakivaky rahona. Ka niakatra aho, niakatra, lava be ilay tohatra nefa tsy vizana mihitsy aho, dia nony namakivaky ny rahona aho, dia tonga tany an-danitra. Hasambarana no tsapako niakatra ny tohatra, hasambarana no tsapako nony tonga tany an-danitra. Moa misy nofy mahafinaritra ohatra an'izany?"
Tsy niandry valiny Imahakà fa avy hatrany izy dia nanokatra ny vilany handeha handrapaka ny sakafo no taitra be izy fa tsisy n'inon'inona intsony tao am-bilany.
"Fa... Fa... nankaiza daholo ny laoka?", hoy Imahakà sady rakotra alahelo ny tarehiny, no nitodika tany amin'Ikotofetsy izy.
Efa nibontsin-kibo Ikotofetsy, tsy tafatsangana intsony, somary nisafo loha kely dia namaly hoe:
"Tena hitako mihitsy letsy ialahy ry Imahakà tao anaty nofiko ilay niakatra nankany an-danitra iny. Faly anie izany fahitako an'ialahy, sambatra anie izany fahitako an'ialahy izany ka hoy aho hoe, tsy hiverina intsony eto an-tany iny Imahakà iny marina. Dia nifoha aho dia nohaniko daholo ilay sakafo", sady nandrezatra kely Ikotofetsy.
👇👇👇