Madagasikara 1947: kiakiaka, fijoroambavolombelona ary faminaniana

Tamin'ny janoary 1947, natao izay rehetra azo natao hangalaram-bato faobe sy na aiza na aiza amin'ny fifidianana. Ny karazana Ku Klux Klan sa ny SS talohan'ny fahatongavan'ny nazisma ve no filamatry ny Firaisambe Frantsay?

Madagasikara 1947: kiakiaka, fijoroambavolombelona ary faminaniana
© Alban Ramiandrisoa-Ratsivalaka, Vato Ambany Riana, pejy 48

2 jiona 1946, fifidianana depiote taty Madagasikara.

Nony avy eo,

Pierre Kalck, mpiasampanjakana ara-panjanahantany

Tamin'ny janoary 1947, natao izay rehetra azo natao hangalaram-bato faobe sy na aiza na aiza amin'ny fifidianana. Nefa izaho moa mbola mpiasampanjakana tanora dia mbola tsy haiko ny mangala-bato hany ka nandefa telegrama tamiko ny sefon’ny faritany nanazava hoe ahoana ny hamenoana vato hosoka ny vata. Ny fitsarana an'i Madagasikara tamin'ny 1948 dia, ara-tantara, ireny karazana ohatra misongadina amin'ny atao hoe fitsarana ara-panjanahantany ireny, ny fampadehanandraharaha tsizarizary, ny fitsipika fototry ny lalàna voadika, ny zava-drehetra momba an'iny fitsarana iny nampitroatra avokoa.
© ANOM, fifidianana depiote Madagasikara, 1946
© ANOM, fifidianana depiote Madagasikara, 1946

Me Henri Douzon, mpisolovavan'ny MDRM

Raha mbola tsy fantatry ny hevibahoaka any Lafrantsa ny zava-mitranga aty amin'ny zanatany, dia mahakivy. Ny karazana Ku Klux Klan sa ny SS talohan'ny fahatongavan'ny nazisma ve no filamatry ny Firaisambe Frantsay?

Gisèle Rabesahala, sekreteran'ny mpisolovavan'ny MDRM:

Ny asako dia ny manoratra amin'ny milina ny fijoroambavolombelona, ny fizotry ny famotopotorana ary misy tena mampivarahontsana tao. Loza hany izany. Nanao zavatra tsy hita veroka mihitsy ry zareo.

Jacques Rabemananjara, iray amin'ireo mpanorina ny MDRM:

Teto [Parisy] no nanorenanay ny MDRM. Somary be zotom-po ny rivotra nitsoka tamin'izay satria namorona zavatra mbola tsy nisy tany Madagasikara izahay, tamin'izany. Satria moa zanatany izahay, dia tsy afaka nanorina antoka. Nanao ny antsoina hoe velirano izahay. Veliranon'ny MDRM. Nisy karazana fombafomba saika ara-pivavahanana amin'ny lafiny iray. Vera misy rano nasianay poti-javatra kely, sombin-tany malagasy kely, dia nifanome an'izay izahay, dia tamin'ny tsirairay niteny hoe, fijoroana ho an'ny tany malagasy, ny fitiavana ny nosy niaviana sy ny fitiavana ny razana. Teo izahay, amin'ny lafiny iray, saika nentin-javatra noho ny hanina ny tanàna e! Toy izay no nitranga. Ho lasa frantsay kokoa hatrany hatrany sady mitoetra malagasy lalina dia lalina, izany no tarigetranay.

Jean-Joseph Rabearivelo, poeta, 1933:

Ary amin'izao tsy misy afa-tsy fahamarinana tokana: raha tsy nisy ny poooolitika, Madagasikara no firenena milanto sy miadana indrindra eto an-tany. Izany mihitsy! raha marina fa ny AK [Antoko Komonista] dia mikatsaka ny tsara ho antsika, aleo atsahany any izay propagandiny rehetra aty amintsika dia antsoiny mody ny lietnàny rehetra na hampisotroiny ronono izy ireo! Tsy hipetra-potsiny amin'ny vary amin-dronono izahay—ary ity firenena ity dia ho eo am-pelatanan'izao antambo rehetra izao ateraky ny fikatsahana ny tombontsoa manokana hatrany hatrany.

Daniel de Coppet, zanak'i Jules Marcel de Coppet Komisera-Avon'i Madagasikara ny martsa 1946 ka hatramin'ny desambra 1947:

Teo aho tamin'izy nanao ny kabariny rehefa iny nidina ny roplanina iny, teo amin'ny kianjan'i Zomà. Tamin'izany dia efa nisy hetsika mitaky ny fahaleovantena izay nibaribary tanteraka. Ary ny raiko dia tonga saina tamin'izany haingana dia haingana ary nolazainy mazava tsara tany amin'ny Ministera izany hoe tsy misy afa-tsy zavatra iray no tokony hatao, dia ny manome, araka ny fampandehanandraharaha horesahina, ny fahaleovantenan'ny zanatany malagasy. Izany faheleovantena nangatahana tamin'i Paul Ramadier izany, ny Filohan'ny Filankevitry [ny ministra frantsay], dia nolavina malaky. Hoy i Ramadier: "Raha mangataka ny fahaleovantenan'i Madagasikara ianareo, dia midoboka ny Ministera, izany hoe, ny Antenimieram-Pirenena no hanongana azy. Noho izany, na izany aza no tokony hatao, dia tsy afaka manao izany isika."

Paul Ramadier, Filohan'ny Filankevitra, martsa 1947, Parisy:

Tany amin'ny herintaona, ny tetibola mahazatra dia nahitana indray banga 111 miliara. Amin'ity taona ity, dia ilaintsika ho voalanjalanja izato izy. Ary tsy maintsy izay no hitranga, fa mahazoa antoka, hijaly noho izany ianareo. Hamidinay ny lasantsy amin'ny vidiny tsy hitombina aminareo. Amin'izao isika miteny izao dia asa 50 000 no foananay. Izany dia mafy avokoa. Izany dia amin'ny lafiny iray tsirariny, fa izany no vonjy ary tsy misy lalana hafa afa-tsy izay. Na levona na mila. Na manaiky ny jaly, manohitra, mitana, na milefitra.

Albert Camus, mpanoratra, mey 1947:

Nefa, indro ny zava-misy, mazava sy marikoriko toy ny marina; ny ataontsika amin'ity indra maka ity [any Madagasikara] dia ny nanendrikendrehantsika ny Alimanina hoe nataony. Fantatra tsara fa nisy nanome fanazavana ianareo. Hoe ny mpikomy malagasy, ry zareo koa, dia namparary Frantsay. Fa ny hakabaosina sy ny heloky ny mpifanandrina dia tsy antony hahatonga antsika kabaosy sy meloka. Raha ny marina, any an-kafa ny fanazavana. Rehefa ireo hitlerianina no nampihatra ireo lalàna mahatsiravina an'i Eoropa, dia satria noheveriny fa ambony razana ry zareo ary ny lalàna dia tsy afaka ny hitovy ho an'ny Alimanina sy ny mponina andevo. Satria isika, Frantsay, mitroatra manoloana izany horohoro izany, dia satria mametraka isika fa mira eo anatrehan'ny lalàna sy ny fahamendrehana. Fa raha izao, androany, misy Frantsay mahalala tsisy troatra ireo fanao ampiasain'ny Frantsay sasany tsindraindray amin'ny Aljerianina na Malagasy, dia midika izany fa miaina izy, amparahatony any, amin'ny fanekena tanteraka fa ambony isika na amin'ny ahoana na amin'ny ahoana manoloana ireny mponina ireny ary ny safidy hanehoana izany fahamboniana izany dia tsy midika inona loatra.

Samuel Rakotondrabe, mpandraharaha ana indostria, 1940 sy Arnaud Beltrame, zandary, 2018:

Ny tanindrazana, alohan'ny fianakaviana!

Jeneraly Henry Casseville, 1948:

Havendranana ny manome zo hifidy rahalahy izay ny retsin'olombelony dia taraiky 2 000 taona raha kely amin'ny antsika.

Raymond William Rabemananjara, un des fondateurs du MDRM, 1953:

Ici, quelques difficultés surgirent entre la tendance ‘occidentale’ et la tendance ‘vieux malgache’. La première voulait imprimer au MDRM, un caractère jeune et accorder une place importante aux éléments féminins et ouvriers. Cette tendance préconisait également l’intégration des personnes d’origine malgache (métis) et des Français établis à Madagascar. La tendance ‘vieux malgache’, plus nettement influencée par les milieux locaux, étaient teintée de despotisme. Elle se différenciait par le rôle qu’elle prétendait accorder aux tenants et aux descendants des castes historiques imériniennes et provinciales.

Raymond William Rabemananjara, iray amin'ireo mpanorina ny MDRM, 1953:

Eto, dia misy olana kely vitsivitsy mipoitra eo amin'ny firehana 'tandrefana' sy ny firehana 'malagasy tranainy'. Itsy voalohany dia te hametraka ao amin'ny MDRM, toetra tanora sy hamela toerana manandanja ny mpikambana vehivavy sy ny mpilahasa. Izato firehana dia manosokevitra ny hampiditra olona manana fiaviana malagasy safiotra sy Frantsay mitoetra eto Madagasikara. Ilay firehana 'malagasy tranainy', miandany lavitra amin'ny eto an-toerana, dia maka loko jadona. Miavaka izy ireo amin'ny anjara toerana lazainy fa ho an'ny taranak'ireo foko ara-tantaran'imerina sy ny faritra.

Fahavalo, Madagascar 1947, de Marie-Clémence Paes, 2018:

Vous nous avez aidé contre les Allemands, alors on va vous donner l’indépendance. Il a dit ça de Gaulle.

Paul Fremigacci, historianina, 2007:

Tany am-boalohany, ny antoko [PADESM] dia notarihan'ny mpitolona komonista.

Jean-Luc Raharimanana, 2017:

Ireo endrika fantatry ny tantara, Rabemananjara, Ravoahangy, sy amin'ny ampahany kely ihany Raseta, dia nandà hatrany hatrany fa hoe ry zareo no tomponantoka tamin'ny fikomiana, nolazainy fa fiokon'ny mpanjanaka handetsena ny antoko MDRM. Ho anahy, dia tsy misy dikany ny manompo ny fomba talohan'ny fanjanahantany, ny fiarahamonina dia mndroso ary miova hatrany hatrany, fa mila manana fahalalana an'izay kolontsaina izay, hahalalana hoe avy aiza isika, ahoana ny fomba handrosoana, inona no entina, no ajanona, no haroborobo. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia naripaka tamin'ny fomba mahatsiravina nefa ny Frantsa mpanjanaka dia nametraka ny tenany hoe mitondra ny Hazavana eny amin'ireny firenena ireny. Ny manadino dia anisan'ny safidin'ny tadidy, fa tsy afaka hanadino isika raha mbola tsy mahalala, raha mbola tsy mahazo sy mamela. Ny miresaka ny 47 dia miverina hatrany hatrany amin'izay resaka famelana izay.

François Mitterrand, 1990:

Te hiafara ohatra an'i Madagasikara angaha ianareo?

Valimpifidianana depiote tamin'ny 1946:

  • Ravoahangy: 88,44%
  • Raseta: 52,83%
  • Rabemananjara: 68,99%
© Alban Ramiandrisoa-Ratsivalaka, Vato Ambany Riana, pejy 48
© Alban Ramiandrisoa-Ratsivalaka, Vato Ambany Riana, pejy 48

Tamin'ny 1947, maro ny olona naripaka. Maro dia maro.

Fa tamin'ny 1947 ihany koa, naripaka ny Demokrasia. Demokrasia vao nitsiry, eny tokoa, fa Demokrasia ihany na izany aza.

Ary taorian'ny 1947, hadino avokoa izany. Saika hadino avokoa. Izay tsy midika hoe loza kokoa izany neffa na izany aza tsy midika hoe tsy misy metimety kokoa.

Jerry Seinfeld, misalotra hoe izy no fanantenana

Nota Bene:

Ny Alimanina dia nanjanaka ny ampahany lehibe tamin'i Eoropa, nandripaka olona maro dia maro, anisan'izany Frantsay, anisan'izany Jiosy. Nefa tsy midika izany fa ny Frantsay sy ny Jiosy ny mikiakiaka valifaty amin'i Alimainina sy ny Alimanina isan'andro vaky izao. Ny mifanohitra amin'izany aza no mitranga, miara-manorina ny ankehitriny sy ny hoavy izy ireo, miara-dia, ary izany, nanomboka efa ela. Zavatra tsara angaha raha tsaroana ao an-doha ao rehefa mihevitra ny 1947...

Loharano:


Lahatsoratra nivoaka voalohany indrindra tamin'ny 2019, tany amina pejiko hafa izay, ary navoakako indray eto, saika nitovy—amin'ity indray mitoraka ity.

Ary efa nadikako kely tao amin'ny pejiko ao amin'ny Facebook, ary izao nadikako manontolo malagasy izao.