6

Ny taona 1889 kosa no nampitondra ny taratasy tamin-dRainilaiarivony tao Ambohimanoro Ranavalona III rehefa nanorina ny fiangonana Saint Laurent tao rizareo.

audio-thumbnail
I6
0:00
/164

Nanjombona izaitsizy ny andro tamin’io alahady io, nivolom-batolalaka ny lanitra, fotsy sasaka, tsy mainty akory, matroka toy ny endriky ny mpandalo maimaika hamonjy fidirana ny tontolo nefa sady nigaingaina toy ny ao am-pon’ny mpandalo trotraky ny adin-tsaina.

Asa raha hoe marina tokoa ilay fomba fiteny manao hoe tsy misy ny roa raha tsy ho avy ny telo satria nasain-dreniny niverina farany Rabe haka ny elo mainty niantona teo an-dalantsara fidirana. Mbola tsy lasa lavitra loatra aloha izy mianaka, mbola teo ambany kelin’ny tsangambaton-dRatsimandrava saingy nisitra ihany Rabe leom-boananana tamin’ny fivezivezena na izany aza. Tsy hadinony intsony kosa ny nanidy lakile ny trano ary vao nandao ny zaridainany izy dia nitaika ny erika. Nimenomenona mangina ny reniny nieritreritra an’ireo ora firifiry nilaharany tany amin’ny mpanao volo ny omaly izao simba ao anatin’ny indray mipy maso monja sady nosokafany ihany ilay elo dia niara-nitampify tao ambaniny tao izy mianaka. Nitaintaina hoe efa haneno izay ny lakolosim-piangonana, nandao an’Ambohimanoro hihazo an’Ambatonakanga.

Tsy fantatry Rabe moa tamin’izay fa ny dadaben’ny dadaben’ny dadabeny tany anie ka sendra nandalo teo Ambohimanoro mihitsy tamin’izany atao hoe Razakatsitakatrandriana notanana tao rehefa naongan’ny sasany tsy ho mpanjaka intsony. Ity farany moa dia tsy iza fa zokin’Andriamasinavalona ary tao no toerana nitenenana azy hoe aiza izy no hatao sesitany afaka kelikely. Na ny razamben-dRabe aza moa tamin’izay sendra nandalo fotsiny, nankafy rahona sy nikarenjy fa tsy nahafantatra akory hoe fady ho amin’ny Andriamanjaka anie io tanàna io tamin’izany, na ny vatan-tenan’ny mpanjaka na ny entany fotsiny aza dia tsy nahazo nanitsaka an’Ambohimanoro fa natokana fitazonana ny andriana resy. Ny taona 1889 kosa no nampitondra ny taratasy tamin-dRainilaiarivony tao Ambohimanoro Ranavalona III rehefa nanorina ny fiangonana Saint Laurent tao rizareo. Tsy ny tenan’ny mpanjaka no nankany fa ny taratasiny no nalefany. Ny taratasy moa azo atao hoe entany ihany? Asa aloha fa taona vitsy monja taty aoriana dia nisy nanongana ny mpanjaka.

Resy.

Nalefa sesitany.

Tsy fantatry Rabe izany, tsy fantatr’ilay dadaben’ny dadaben’ny dadabeny sendra nandalo fahiny teo ihany koa.


Ireo voambolana 6 👈

  • izaitsizy
    loatra
    excessivement
  • nivolombatolalaka
    niloko anelanelan’ny fotsy sy mainty
    gris
  • fotsy sasaka
    manopy fotsy
    qui tend vers le blanc
  • nigaingaina
    nafana sy nanekovekoka
    chaud et sec
  • nisitra
    namoaka feo s mitaritarika amin’ny vava ho mari-pandavana malefaka miharo tsififaliana sy dongidongy
    rouscailler en émettant un son s traînant de la bouche en signe de protestation, de mécontenement tout en faisant la moue
  • leomboananana
    leo tanteraka
    en avoir assez, complétement
7
Tsy nampoizin’ireo izay nanorina an’io tonelina mampitohy an’Ambohijatovo amin’ny faritra atsinananan’Antananarivo io mihitsy koa tamin’ny 1938 hoe afaka taompolo maromaro aty aoriana, rehefa rava ny Mandan’i Berlina, dia hisy fiara