4

Vetivety ihany dia nidify teny amin’ny kihon-dalana teny ambody fiakarana Rabe ka ilay tsangabato fahatsiarovana an-dRatsimandrava sisa no nobanjinin’ireto goaika sady nanongilan-tsofina toa niezaka nanakatra feo tsy hay hoe avy aiza, tsy hay hoe an’iza izato vorona.

audio-thumbnail
I4
0:00
/138.75

Tsy tazan-dRabe ilay goaika fanindroany namonjy ny varavarankeliny, ny masony moa mbola tao anaty telefonina ihany, ny sainy tao anaty Facebook.

Toy ilay voalohany ihany ilay goaika, mainty volo, fotsy tenda, saingy somary bonaika sy botabota kokoa fotsiny. Nitazana an-dRabe nibaby kitapo sy nilalao telefonina tamin’ny ankibeny ireto goaika sady nitsakotsako hanina tsy hay loatra hoe inona hatrany — ilay bonaika nahery fitsako sy nihosanosana kokoa. Vetivety ihany dia nidify teny amin’ny kihon-dalana teny ambody fiakarana Rabe ka ilay tsangabato fahatsiarovana an-dRatsimandrava sisa no nobanjinin’ireto goaika sady nanongilan-tsofina toa niezaka nanakatra feo tsy hay hoe avy aiza, tsy hay hoe an’iza izato vorona. Tsy azon-dRabe an-tsaina mihitsy na ny kely aza tamin’izay hoe inona no hanjo azy, inona no hanjo ny reniny, inona no hanjo ny Antanananarivony, inona no hanjo ny Madagasikarany, inona no hanjo ny fiainany sy ny tontolony iray manontolo. Tsy azony an-tsaina mihitsy. Tsy azony an-tsaina ihany koa fa ireo zavatra fantany rehetra ireo araka ny fahafantarany azy anie ka ho rava sy ho potika avokoa ary hiaina tontolo hafa mihitsy izy. Anjoria hafa kely any amin’ny tontolo hafa tsy dia mifanalavitra amin’ilay tontolo fantany nefa tsy mitovy mihitsy. Mbola tsy azony an-tsaina ihany koa fa hanova tanteraka ny fijeriny mikasika ny fiainany sy ny fiainana iray manontolo anie izany rehetra izany. Indrindra fa i Lisy, indrindra noho i Lisy. Ny ankibeny moa variana nikarenjy eraky ny Facebook nefa raha nisokatra kokoa ny masony, nefa raha nifantoka kely fotsiny izy, nefa raha nandinika kokoa ny tranga hafahafa indray alahady izay tany am-piangonana izy, dia tokony efa nitselatra kely ihany ny fony, niketrona kely ihany ny handriny, tonga saina kely ihany izy hoe misy zavatra hafahafa izy izany…


Ireo voambolana 4 👈

  • anjoria
    dia sarotsarotra, maro lafiny tsifantatra, matetika misy lafiny mahazendana
    aventure, voyage
  • handrina
    faritra ambonin’ny tava manomboka eo ambonin’ny volomaso ka hatramin’ny fiandohan’ny volo eo anoloana
    front
5 (Indray alahady izay)
Ny hazon-damosiny angamba no nasainy nihaino izany hafatra izany fa ny voamasony notarafin’ny hazavan’ny tele tsy niala tany amin’ilay sarimihetsika nojereny hany ka vao dila ny reniny dia natsipiny teo amin’izay seza teo akaikiny teo fotsiny ilay pataloha.