3
Rehefa izay dia izay (nanampy kitoza teo am-bilian-dRabe izy).
— Rabe a! Tsy tianao angaha ilay vary sosoa sy kitoza? hoy ny reniny nanontany somary sanganehana nony tafaomana Rabe.
— Kitoza kitoza foana ny an’ineny (norarahany dite mafana ny kaopiny dia notsofiny, niakatra ny etona) tu sais très bien hoe inona no loaka que j’aime, sady…
— Sady maninona?
— A! Efa hoe j’aime pas ireto sotro sy fourchette malemy kely ireto, maninona izao raha ny an’i bebe no ampiasaiko? Mipetra-potsiny ao, je ne comprends pas neny a! Tena tsy azoko mi…
— Impiry impiry aho miteny anao fa tsy avelan’ny nenitoanao kitihana ireny, hoy ny reniny nanapaka ny teniny, hentitra. Rehefa izay dia izay (nanampy kitoza teo am-bilian-dRabe izy). Dia aoka izay izay resaka izay fa tsy isan’andro izao koa dia izay foana. Nangina tao an-dakozia. Saika hiteny zavatra Rabe, nisokatra kely ny vavany, dia nakombony. — Ary mba apetraho ho’aho ilay telefonina iny rehefa misakafo fa tsy miondrikondrika ao foana! Dia atao inona alaina sary izao io sakafo io?
— Tssss! Neny koa izany…
Napetraky Rabe ny sotrony, nisendoatra kely izy sady niala ny latabatra, mbola variana tao anaty telefonina ny masony ka saika voadonany raha nisy kely ilay sinibe nipetraka tamin’ny tany fampiasan’izy mianaka rehefa tapaka iny ny rano.
Voadonany soamantsara kosa ireo antontan-dabozia fandrehitr’izy mianaka rehefa tapaka iny ny jiro. Niraraka tamin’ny tany, nameno ny taila efamira niloko fotsy sy mainty toy ny samantsy na fanoronjaka.
Noraofin-dRabe nalaky ireo labozia niparitaka tetsy sy teroa dieny tsy tazan’ny reniny ary nobabeny ilay kitapo niantona teo anilan’ny varavarana dia iny izy nivoaka namonjy ny lalana ho any an-tsekoliny. Ny tanany sy ny masony ilany tsy niala teo amin’ny telefoniny, ny tongony nanakaratoka ny varavarana, moa ny sofiny tsy nahare ny antsoantson’ny reniny niteny hoe mandehana miborosy nify.
Ireo voambolana 3 👈
- taila
plaky matetika seramika fampiasa amin’ny gorodona na rindrina na hafa
carreau - fanoronjaka
kilalaontsaina ifanandrinan’olona roa samy manana vato 16 avy tsy mitovy lenta eo ambony fafana ahitana lakazy 64; samantsy
échecs