21

Niezaka niantso izy nanao hoe: “E!” saingy tsy nahaloa-peo fa ny vavany fotsiny no nisokatra ary ny endriny no niketrona, nanontany tena hoe nankaiza ny feony.

audio-thumbnail
I21
0:00
/235.5

Nihodinkodina tao am-pandriana Rabe.

Nony elaela kely, renoka ihany. Nanofy zavona. Na hoe rako-javona ny nofiny satria tsy hitany mazava hoe inona marina izato nitranga tao anaty nofiny. Toa nitsingevana izany izy. Nanidina mihitsy aza. Toa tsapany maivana dia maivana toy ny volonakohokely vonivony tsofin’ny rivo-dohataona ny tenany. Nangina ny tontolo. Tery lavidavitra tery, toa nahatazana olona izany Rabe. Tsy tsinjony tsara hoe iza ilay olona. Niezaka niantso izy nanao hoe: “E!” saingy tsy nahaloa-peo fa ny vavany fotsiny no nisokatra ary ny endriny no niketrona, nanontany tena hoe nankaiza ny feony. Ny hany nataony, niezaka nanakaiky ilay olona tazany, nakopakopany ny tanany, toy ireny nilomano tao anaty rahona ireny. Nihena ny elanelana nefa nihananjavona ny soritsoritr’ilay olona tazany. Fa na nihananjavona aza, fantany tsara hoe iza ilay olona tao anaty nofiny. Fantany loatra. I Lisy. Ilay olona tao anatin’ilay nofy iray noheveriny ho tena izy na tao anatin’ilay tena izy noheveriny ho nofy izao tonga ato anaty nofiny fantany hoe tena nofy izao. Naneno ny telefoniny. Taitra Rabe.

Feo tokana monja no nanaitra anazy. Feo tokana nikarantsana mahatapa-nofy. Tsy tao an-tsaina hatrany ny nanapika an’ilay telefoniny rehefa alohan’ny hatory. Na fanahy iniany tsy nahy. Tsy fantany mazava loatra intsony fa sady sorena no nibitabitaka hoe inona izany, inona izany, iza àry izany mandefa hafatra Facebook aminy amin’izao alim-be izao. Sao dia i anona sao dia ranona. Misy anarana tsaroany niverina tampoka ihany. Akory ny hakiviany, tsy nisy dikany akory, olona tsy fantany akory aza no nandefa hafatra taminy nanao hoe:

“Lu! Sa va?”

Tsy tsaroany nangataka an’ilay olona ho namana akory Rabe ary tsy tsaroany nanaiky ny fangatahany rahateo. Eny, maro dia maro ny namany ao amin’ny Facebook ao, an’arivorivony ary asa raha ny folo isan-jaton’ireo no tena fantany ary amin’ireo fantany ireo firy no tena efa niresaka taminy sy nifanerasera nivantana taminy. Fanontaniana saro-baliana izany, tsy dia noraharahiany loatra ihany koa fa mana-namana izy ao amin’ny Facebook ary mahafalifaly ny fony izany. Ny azo antoka aloha dia sady tsy fantany foko, tsy fantany firenena ilay nanaitra azy tamin’ny torimaso, ny sary famantarana an’izato izy rahateo sarina mpihira malaza ka na dia ankafizin-dRabe aza ny hirany tsy levon’ny vavony ihany ilay nanaitra azy nifongo tsara tao anaty bodofotsy tao nahazo hafanana ary efa azon’ny nofy.

Saingy efa taitra izy moa ka nasosasosany erak’iny Facebook rehetra indray ny tanany. Navelany tao ilay hafatra, tsy novaliany. Soratra hoe “Vu” fotsiny no hany azon’ilay nandefa hafatra taminy izay toa midika amin’ny maro hoe “tsy raharahiako ny hafatraoianao mihitsy no tsy raharahiako” zary lasa latsa mihitsy angaha amin’izao vanim-potoanan’ny Facebook izao ary teo am-pijerena indrindra ny sarin’ilay naman’ny namany nitazona tavoahangy Coca-Cola teny amoron-dranomasina sady nanao tarehy ratsy izy no nihetsika ilay Zavatra teo an-joron’ny efitrano fandriana.

Mby hanomboka amin’izay àry ny horohoron-dRabe.


Ireo voambolana 👉 21

  • renoka
    anaty torimaso lalina
    dormir profondément
  • vonivony
    mavomavo
    jaune
  • tsy nahaloa-peo
    tsy nahatafavoaka feo
    n’a pas pu sortir le moindre son
  • nifongo
    nibonoka tao am-pandriana mirakotra tsara
    rester dans son lit sous la couverture
22 (Toko II - Aiza no mifarana ny tenaizy ary manomboka ny nofy?)
Tsy azony an-tsaina mihitsy na ny kely aza hoe inona ity ao an’efitrafandriany.