20

Dia maka servieta ny reniny, dia fafany ny lohan-dRabe sady asainy manala akanjo haingana, dia fafany ny vatany, dia fonosiny bodofotsy, dia anaovany ravimboafotsy mafana miaraka amin’ny tantely no mimenomenona ihany izy.

audio-thumbnail
I20
0:00
/229.25

Lisy.

Nipoitra tampoka tao an-dohany toa ireny dokambarotra tsy satry amin’ny internet ireny ilay anarana.

Lisy.

Anaran’ilay tovovavy izay. Azon-dRabe antoka. Nefa tsy fantany hoe taiza no reny fa dia nidobodoboka mafy ny fony vao nahare ilay anarana.

Lisy. Lisy. Lisy. Lisy. Lisy.

Izay no anaran’ilay nandroba ny fony nefa mbola tsy niteny taminy ny anarany ilay tovovavy fa dia tsapany fotsiny hoe izay no anarany. Ahoana no nahalalany izany? Tsy hainy, lasa ny eritreriny hoe raha nofy vokatry ny sainy ilay tovovavy tsy mahagaga raha mamorona anarana koa ny sainy.

Nosokafany ilay varavarankely, nahatazana potin-tsakafo izy teo amin’ny morony.

Notomoriny akaiky, potika fromazy naherihery fofona. Tsy tsaroany hoe oviana izy no nihinana fromazy teo sady amin’ilay mahery fofona ankafiziny mihitsy fa tsy dia nahoany loatra. Zavatra hafa mihitsy no nahavaky ny lohany. Nataony nidanadana ilay varavarankely, nitsoka ny rivotra, nanerika kely ny alina niporitidritika teny amin’ny tavany fa tsy dia nahoany loatra ihany koa. Nakimpiny ny masony, niaina tsimoramora izy, nitroka fofon’aina miadana, nampiditra rivotra tamin’ny orony, namoaka tamin’ny vavany, nampiditra tamin’ny orony, hatrany hatrany. Notsofin’ny rivotra ny sangany petaka nefa nikorontana, nanadio ny lohany izy, niezaka nanadio ny lohany nisavoritaka toy ny volony. Navelany nampangatsiaka ny fony niredareda ny tsio-drivotra sy ny erikeriky ny alina mangina. Niara-dia tamin’ny alina izy, norotsirotsian’ny haizina. Ary raha tsy nanomboka nikija ny orana, nandena azy bebe kokoa, nandena ny gorodona teo ambany tongony, tsy nampidiriny ny lohany, tsy nohidiany ny varavarankely. Efa hatry ny ela no nitiavany nilalao orana kely toa ireny. Adalain’ny mpiara-mianatra taminy foana izy rehefa avy ny orana satria sady noheverin’izy ireo tsy nitondra elo no tsy nitondra akanjo tsitanteradrano izy rehefa mody fa rehefa avy ny orana, raha tsy mando dia lena, raha tsy lena dia kotsa. Bedy foana ihany koa izy rehefa tonga any an-tranony, ny tenany lena, ny kiraro simba, ny vatana mangovitra. Vao mainka moa sorena ny reniny mahita fa tsy hoe hadinony tsy akory ny akanjo tsitanteradrano fa niniany tsy navoaka tao anaty kitapony tsotra izao. Sady sorena ny reniny no tonga saina hoe misy hafa kely ity zanany. Dia isaky ny avy ny orana dia izany foana no mitranga, toy ny fiverenana hira ka ny tonony mitovy, ny feony mitovy, ny fomba fihira azy mitovy fa ny fotoana fotsiny no maha samy hafa azy. Dia maka servieta ny reniny, dia fafany ny lohan-dRabe sady asainy manala akanjo haingana, dia fafany ny vatany, dia fonosiny bodofotsy, dia anaovany ravimboafotsy mafana miaraka amin’ny tantely no mimenomenona ihany izy. Menomenom-pitiavana.

Azon-dRabe am-bava tamin’izay alina izay ny tsiron’ilay ravimboafotsy fa tsy nisy tsaroany izany tantara fahiny izany. Na ny orana nikija, na ireo ankizy nanadala, na ny reniny tatabava niteny, na ny bodofotsy nampisalorany azy, na ilay ravimboafotsy. Tsy nisy tsaroan’ny sainy izany, fa tsapan’ny fony kosa ary tonga tao am-bavany ny tsiron’ilay ravimboafotsy.

Toy ilay anaran’i Lisy?

Niverina natory Rabe.


Ireo voambolana 👉 20

  • nikija
    avy tsy ankijanona
    tomber sans arrêt
  • tsitanteradrano
    tsy tanteraky ny ranoka
    imperméable
  • tatabava
    tataka vava, vizana fotsiny miteny
    gaspiller sa salive
21
Niezaka niantso izy nanao hoe: “E!” saingy tsy nahaloa-peo fa ny vavany fotsiny no nisokatra ary ny endriny no niketrona, nanontany tena hoe nankaiza ny feony.