19

Ireo sary taloha miparitaka eraky ny Facebook porofo mitohaka amin’ny tenda fa nahafinaritra ery Antananarivo taloha. Nadio.

audio-thumbnail
I19
0:00
/276.5

Nitsangana avy teo am-pandriana Rabe.

Nanakaiky ny varavarankely dia nitsapa ny sandriny tamin’ny tanany nangatsiaka. Nisy fofon’ny volon’i Lisy toa tavela tao amin’ny orony tamin’izy saika nianjera. Nikopaka kely tany aminy manko ny volony rehefa niarina izy hany ka nisy hanitra niavaka sy nanaitra ren-dRabe tsara. Vokatry ny sainy koa ve izany fofona mbola henony namerovero izany? Tena lasa adala tokoa ve izy? Nitazana an’Iarivo mahafinaritra jerena amin’ny alina Rabe. Nahafinaritra aoka izany ny renivohitr’i Madagasikara talohan’ny nibosesehan’ny taona sy ny hagegen’ny baranahana tsy nandinihana tsara ny haisamponina sy ny fanajariantanàndehibe arifomba sy manarapenitra araka ny filan’ny vanim-potoana, ny fiarahamonina ary indrindra ny filan’ny hoavy. Ireo sary taloha miparitaka eraky ny Facebook porofo mitohaka amin’ny tenda fa nahafinaritra ery Antananarivo taloha. Nadio. Nahalala nadio. Nalaim-panahy Rabe nanontany tena hoe dia tsy nahalala nadio ve ny Malagasy raha tsy ny vahiny no nitondra. Nailiny toy ny lalitra sendra manga nisasaka anefa izay eritreritra izay satria tsy nino izy hoe ny volon-koditra no mampahalala madio na mahavoretra olona na mponina iray fa ny fanabeazan’ny fiarahamonina azy, ny fitaizan’ny an-tsekoly sy ny fampianarana ao an-trano. Toko telo mahamasa-nahandro.

Nisento kely Rabe.

Vetivety foana dia hadinony Antananarivo ka niverina tany amin’i Lisy indray ny eritreriny manontolo. Tsapany hatrany amin’ny tsinay maintiny fa tsy hohadinony intsony iny tovovavin’ny nofiny iny. Te handà mafy izy hoe tsy nofy izany iny saingy sarotra taminy ny tsy hiaiky mahita ny zava-drehetra tsisy rava, niverina tamin’ny laoniny avokoa. Nefa. Nefa nisy zavatra tsy nitombina tsy hainy nohazavaina loatra fa raikitampisaka tao anatiny tao. Ny sainy nahita sy nanaiky ary tsy afaka nanipaka ny zavatra azony tsapain-tanana sy hitan’ny masony. Ny fony kosa etsy ankilany mahatsapa zavatra sarotra ny hilaza hoe vokatry ny nofy fotsiny ihany. Tsy nino izy hoe hamitaka azy ny fony.

Nifanohitra ny sainy sy ny fony.

Ny lojika mihizingizina hoe nofy fotsiny ihany iny, ny fahatsapany, tsy hainy omem-panazavana loatra nitatatata tsy azo andaharana ihany koa hoe tsy mamitaka ny fony. Ny fony tokoa ve dia hitepotepo ho ana tovovavy tsy nisy akory fa vokatry ny nofiny? Ary raha nofy tokoa izany, dia taiza no nanomboka dia taiza no niafara? Azo antoka fa ilay izy mianaka saika voadonan’ny takisiabe indray alahady aloha tsy nofy fa tena nitranga. Dia teo izy no tonga saina fa tsy vitan’ny hoe tsy hainy tsara hoe taiza no nanomboka ilay nofy fa nifangaro tanteraka ny fitadidiany. Tsy nisy tsaroany afa-tsy andro roa sisa hatrizay hatrizay. Izao alatsinainy izao, izy nalain-kifoha maraina, niara-nisakafo tamin’ny reniny, nandona labozia niraraka tamin’ny taila efamira, nandeha nianatra dia izay. Tsy tsaroany intsony ny tohiny raha tsy izao alina izao. Dia ny andro fanindroany ilay indray alahady nankany am-piangonana tao ambany elo mainty saika solafaka teny an-dalana iny. Tsy nisy afa-tsy ireo andro roa ireo ihany no tao an-tsainy, ny ambiny manjavozavo saingy ilay nofy kosa nazava dia nazava. Mahatsiaro zavatra hafa ihany izy fa mihamanjavona ao an-tsainy toy ny sambo an-dranomasina efa manomboka tsy hita raha tazanina avy eo amin’ny torapasika. Tsaroany ny jery vilan’ny mpiara-miangona iray taminy tamin’izy namoaka ilay telefoniny fony vao azony, tsaroany satria mahasorena azy foana ny toetran’olona toy izany tsy mba faly amin’ny fifalian’ny mpiara-belona, amin’ny fahombiazany sy ny soa mitranga amin’ny fiainany fa vao mainka indray misy toetra hafahafa vato misakan-dalana ny fandrosoana.

Nisento Rabe, nivonkina tsy nahy ny totohondriny sady nahankiny tamin’ny varavarankely ny handriny.

Fotsy ny fitadidiany.

Toy ny tsy nisy na zara raha nisy ankoatra ireo andro ireo sy ilay nofiny. Kely sisa dia banga tanteraka toy ilay nahatonga azy tampoka avy Ambatonakanga nankeny Manjakamiadana. Nitsambikina toy ny mailaka nalefa Gmail mahavita mitety ranomasimbe ao anatin’ny indray mipy maso monja.


Ireo voambolana 👉 19

  • haisamponina
    dinika statistikan’ny mponina
    démographie
  • fanajariantanàndehibe
    dinika, vondron’ny haikanto sy ny haitao ahafahana mampifangia ny tontolomponenana amin’ny filan’ny olombelona
    urbanisme
  • arifomba
    manaka ny fenitra; manarapenitra
    suivant les normes
  • raikitampisaka
    milentika lalina
    ancré profondément
  • mihizingizina
    mafiloha
    têtue
  • taila
    plaky matetika seramika fampiasa amin’ny gorodona na rindrina na hafa
    carreau
20
Dia maka servieta ny reniny, dia fafany ny lohan-dRabe sady asainy manala akanjo haingana, dia fafany ny vatany, dia fonosiny bodofotsy, dia anaovany ravimboafotsy mafana miaraka amin’ny tantely no mimenomenona ihany izy.