18 (Aiza no mifarana ny nofy ka manomboka ny tenaizy?)

Tsy nanohitra akory fa lasa ny fo, tsy maninona, ento ho anao, rohito, trobaro, tsongoy, anaovy izay sitraponao rehetra, afeno, itsaho, oroy, poleso, dory, atsipazo, raiso, atsipazo indray, raiso, rangoty, safoy, fihino, vimbino, ario, zahao, ario indray, zahao, fihino, vimbino

audio-thumbnail
I18
0:00
/153.5

NIDIRIDIRY IRERY TAO ANATIN’NY ALIN’NY EFITRAFANDRIANY Rabe sy ny fihetseham-pony nifamahofaho ary zara raha ny efijerin’ny telefoniny teo an-doham-pandriany sisa no nanazava ary ny sefosefony nikasokasoka sisa feo re nandravaka ny fahanginana.

Lasa saina izy.

Embona no nandrakotra, nisolo toerana ny rivotra ary hanina tsy hita faka no feom-balotra nampandihy ny ranomaso tsy latsaka na dia ambivitra. Na ny riorion’ny fiarakodia sendra nandalo sy ny vovon’ny alika tsy nana-tompo aza tsy reny intsony. Lasa saina izy. Izao ve ilay atao hoe tia? Nefa tia olona tsy misy akory, babo tanteraka nofy niserana, resy tanteraka tsy misy alaharo alaharo, roboka tsy nahy tao anaty ontana efa re ihany hoe misy, hita tamin’ny tele izao rehefa mandona ny tena tsy laitra tsy tanty tsy zaka ny havesany raha tsy mipaka, ny fo efa voaroba, sinto-mahery sinto-mahery, tsy an-kamerim-botsotra fa izay tratrany fay, izay tsy tratrany maniry hahatsapa. Nefa tia. An-kitsirano. Tsy nanohitra akory fa lasa ny fo, tsy maninona, ento ho anao, rohito, trobaro, tsongoy, anaovy izay sitraponao rehetra, afeno, itsaho, oroy, poleso, dory, atsipazo, raiso, atsipazo indray, raiso, rangoty, safoy, fihino, vimbino, ario, zahao, ario indray, zahao, fihino, vimbino, fihino, aza avela hisinda intsony, raiso ho anao tanteraka, raiso ho anao manontolo, tsy ho ahy intsony intsony, fa anao ny foko, anao irery ihany, anao manontolo. Anao aho. Vao nilentika tao anaty masoko ny masonao dia efa e, very aho, nitady lalana avy amin’ny masoko ny masonao, dia azonao ny foko. Azonao tanteraka.

Mandrakizay.

Doria.

Amena.

Nefa nofy. Nofy fotsiny ihany. Nofy tokoa? Nisy zavatra tsy matin-dRabe lolo mihitsy. Dia nofy koa ve izany ilay saika voadonan’ny takisiabe indray alahady iny? Zavatra noforonon’ny amparahatony?

Nifamahofaho ny tao an-dohany.

Hatraiza ny nofy no mifarana dia manomboka aiza ny tenaizy?


Ireo voambolana 👉 18

  • nifamahofaho
    nifangitotra, nikorontana ambony ambany
    être entrelacé de manière informe, anarchique
  • hanina
    tsiaro misy alahelo
    coup de blues
  • valotra
    paikatelo
    valse
  • ambivitra
    kely sisa tsy
    sur le point de
  • riorio
    vezivezy
    errance
  • ankitsirano
    tsy misy olakolaka
    sans ambiguïté
  • amparahatoka
    fiantso ny tsy takatry ny fiheverana
    subconscient
19
Ireo sary taloha miparitaka eraky ny Facebook porofo mitohaka amin’ny tenda fa nahafinaritra ery Antananarivo taloha. Nadio.