17

Nandrehitra ny telefoniny izy, alatsinainy ny andro, nasosasosany ny rantsan-tanany, nijery Facebook izy, nijery ny rindrin'ny namany maromaro, tsy nisy resaka faharavan'Antananarivo na ny kely aza, tsy nisy resaka havandra, vain'afo mihoson-dra nandoro izay rehetra nilatsahany.

audio-thumbnail
I17
0:00
/164

Taitra tampoka Rabe.

Taitra avy tao am-pandriana.

Tsembo-dratsy.

Niarina haingana izy, nampirehitra jiro. Alina ny andro. Ao an'efitrafandriany izy. Niakanjo mandry. Nirimorimo teny am-baravarankely izy nitazana ny tany ivelany. Mbola io ilay Antananarivo keliny. Jejojejo ery amin'ny alina nisy pentin-kazavana kely tetsy sy teroa mba nanembona angaha ny hakantony fahiny. Tsy lelan'afo akory ireo hazavana fa jirojiron-trano sy jirojirom-piarakodia. Tsy nino tsara Rabe. Nandrehitra ny telefoniny izy, alatsinainy ny andro, nasosasosany ny rantsan-tanany, nijery Facebook izy, nijery ny rindrin'ny namany maromaro, tsy nisy resaka faharavan'Antananarivo na ny kely aza, tsy nisy resaka havandra, vain'afo mihoson-dra nandoro izay rehetra nilatsahany. Tsy nisy. Nivoaka ny Facebook izy. Niditra Google, nijery tany amin'ny vaovao. Tsy nisy ihany. Twitter, Instagram. Tsy nisy hatrany.

”Dia nofy ihany ve izany ilay teo? Dia resaka fotsiny ve izany ilay fika hoe manongo tena amin’ny filma?” hoy izy niteny irery.

Nitsamboatra tampoka izy.

Neny.

Nihazakazaka nivoaka ny efitra izy, nanao dingan-dava ny lalantsara nankany amin’ny efitrafandrian’ny reniny. Io ny reniny natory tsara nitafy. Avy hatrany dia nitsoraka Rabe dia nosakambininy. Taitra ny reniny sady gaga no sorena.

”Fa inona ity mahazo e? Amin’ny firy izao? Salama tsara ilay zanako izay? (Nitsiky kely izy sady nanafosafo ny lohan-janany no nanongo kely ny sofiny) Ndeha matory ka! Ouste!”

Dia hafaliana tsy omby tratra no nameno ny tratran-dRabe nivoaka ny efitra namonjy ny fandriany. Nitotorebika aoka izany izy. Nandihy sy nihoraka mangina ary nivavabavaka nisaotsaotra eraky ny lalantsara. Hay nofy fotsiny izy teo. Hay tsy nisy na inona na inona nitranga fa dia vokatry ny nofy fotsiny teraka tao anaty eritreritra tao sady nidaboka teo amin’ny ondana ny lohany. Vao nikimpy anefa ny masony dia nahirany tampoka. Dia niarina izy. Ilay tovovavy.

Tsaroany i Lisy. Ary lasa ny sainy hoe nofy koa ve izany ilay tovovavy. Sady nangasihasy izy, faly sahirana. Faly fa tsy rava Antananarivo, tsy maty ny reniny. Sahirana fa levona niaraka tamin’izay koa izany ilay tovovavy.


Ireo voambolana 👉 17

  • tsembodratsy
    tsemboka dia tsemboka noho ny hasasarana na tahotra
    suer à grosses gouttes à cause de la fatigue ou de la peur
  • nirimorimo
    nandeha mafy dia mafy
    aller à vive allure
  • nitotorebika
    nandihy, somary nitsinjaka, falifaly
    danser, en sautillant, de bonne humeur
  • nangasihasy
    nahatsiaro ho voa sy menamenatra noho ny tsy nahazoana izay nantenaina
    se sentant blessé et honteux à cause d’un désir non assouvi
18 (Aiza no mifarana ny nofy ka manomboka ny tenaizy?)
Tsy nanohitra akory fa lasa ny fo, tsy maninona, ento ho anao, rohito, trobaro, tsongoy, anaovy izay sitraponao rehetra, afeno, itsaho, oroy, poleso, dory, atsipazo, raiso, atsipazo indray, raiso, rangoty, safoy, fihino, vimbino, ario, zahao, ario indray, zahao, fihino, vimbino