16

Hontsa ny endrik’i Lisy, tsy tena hoe kotsan-dranomaso tsy akory fa nisy ranomaso tokana nikoriana teo amin’ny takolany saika nofosana.

audio-thumbnail
I16
0:00
/267.5

Teo an-tokotany andrefan’ny Rova i Lisy sy Rabe no nijaridina tsy nahaloa-bava.

Ambohijanahary, may, Mahamasina, may, Ampefiloha, may, 67 ha, may, Andrefan’Ambohijanahary, may, eny, hatrany amin’ny faravodilanitra sy izay taza-maso rehetra saika may avokoa.

Nizarazara ny fihetseham-pon-dRabe. Nanontany tena izy hoe sao dia lasa adala àry aho ity rehefa tsy manofy ihany. Be loatra manko izay zavatra nitranga tao anatin’ny fotoana fohy izay. Saika maty voadonan’ny takisiabe raha tsy noho ilay tovovavy nisatroka ba, tsy nikimpy tao am-piangonana tamin’ny fotoana fiaraha-mivavaka ka nifanojo ny masoko sy ny mason’ilay tovovavy izay tsy izy fa ilay tovovavy nisatroka ba mpamonjy ihany, nanjavona voalohany ilay tovovavy, na faharoa raha kaontiana koa ilay teny amin’ilay takisiabe, dia nivoaka ny fiangonana aho, faharavana no nitsena ahy, potika sy may ny tanàna, rava ny fiangonana, tototra ny mpiangona, maty i neny, trotraka dia trotraka aho, dia nipoitra ilay tovovavy, nibitaka ny foko, dia nanjavona indray ilay tovovavy, andeha hizaha azy aho no izao nitsambikina tsy hay hoe nahoana avy eny Ambatonakanga ka izao tonga eto an-tokotany andrefan’ny Rova izao, anilan’ilay tovovavy, mibanjina ny fahaverezan’Antananarivo.

”Lasa adala aho!”, hoy Rabe nibitsika moramora ho an’ny tenany ihany.

Nisafo loha kely izy, sady nanaisotra lavenona kely nentin’ny rivotra teo ambony kelin’ny sofiny, dia nitodika tany amin’i Lisy ny masony. Hontsa ny endrik’i Lisy, tsy tena hoe kotsan-dranomaso tsy akory fa nisy ranomaso tokana nikoriana teo amin’ny takolany saika nofosana. Nasiaka ny fijeriny ary feno fahavononana saingy tsy azon-dRabe loatra hoe fahavononana ahoana, ny tanàna àry ity efa rava fa nanaitra azy ihany ilay fijery na izany aza. Teo indrindra no nisy feo nanakoako tampoka nampitsamboatra an-dRabe, i Lisy tsy taitra.

Naneno ny trompetra faharoa.

Nisy zavatra lehibe dia lehibe toy ny trozona nanidina na toy ny tendrombohitra nanidina raha ny marimarina kokoa nisidina teny an-danitra nilelalela afo nisosososo. Tsy fantatry Rabe tamin’izay fa ny ranomasina no vantanan’ilay tendrombohitra nanidina ary hahafaty ny ampahatelon’ny hazan-drano no tanjona, ny hanova ra ny ampahatelon’ny ranomasina ihany koa. Nangovitra kely ny tongotry Rabe nahita an’ilay izy. Nihozongozona ny tany, nirodana ny sisam-bato sisa nijoro tamin’ny lapa tao aoriany. Tafatodika Rabe dia avy eo nijery an’i Lisy, nitady toky angaha. Nihovitra indray mandeha indray ny tany, mafimafy kokoa noho ilay voalohany teo, saika nianjera tamin’ny tany i Lisy raha tsy voafihiny ny sandrin-dRabe. Vao azony antoka hoe tsy hianjera izy dia navotsony haingana ny sandrin-dRabe dia niverina nijoro tsara izy. Toa nahita henatra kely niserana tamin’ny endrik’i Lisy Rabe nefa tsy azony antoka hoe henatra kely tokoa ve. Fotoana kely dia kely no nikasihan’i Lisy ny sandriny fa tsy hohadinony mandrakizay doria amena ary nisy tsiky vendrambendrana nisoritra teo amin’ny tavany tao anatin’ny tontolo rava tsy nisy azo noraisina intsony. Hitany fa nitsipalotra ny mason’i Lisy nahatazana ny tsikiny vendrambendrana saingy tsy tazany loatra hoe tsiky no nasetriny izany sa inona. Nitsitapitapy tsinona ny hazavana teo amin’ny endrik’i Lisy, mbetika tazana, mbetika tsy dia tazana, niankina tamin’ny fikopaky ny afo nanodidina azy sy ny sitrapon’ny haizina hisinda kely tsindraindray. Tsy nety nangina intsony ilay trompetra ary vao mainka aza nihamafy hany ka tsy ren-dRabe hoe inona no zavatra tenenin’i Lisy taminy. Nikotaba be rahateo ny rambon’ilay tendrombohitra nanidina efa nanomboka zara raha tazana fa mbola ren’ny sofina soamantsara ny hagegen’ny fidoladolany. Tsapan-dRabe tao am-pony tao fa tsy Antananarivo irery no potika fa Madagasikara iray manontolo, asa, ny Tany iray manontolo koa angamba no andalam-paharavana tanteraka. Nefa mbola tsy niala teny an-tavan-dRabe ilay tsiky vendrambendrana. Nobedain’i Lisy ny sandriny roa ny farany fa tsy ariny intsony, nampanatoniny ny tarehiny ny tarehin-dRabe ary andeha hiteny zavatra izy no…


Ireo voambolana 👉 16

  • tsy nahaloa-bava
    tsy nahasokatra vava hiteny
    n’a pas pu ouvrir la bouche
  • nanaisotra
    nanala
    ôter
  • hontsa
    tongan’alahelo kely tampoka
    ému
  • trozona
    biby mpampinono lehibe indrindra, mivelona anaty riaka
    baleine
  • nitsipalotra
    nijery vetivety
    regarder assez rapidement
  • nitsitapitapy
    nisy, dia tsy nisy, niatoato
    par intermittence
  • fidoladola
    fihetsika na fandeha miangotingoty somary manetsiketsika ny loha miankavia miankavanana
    attitude ou démarche assez dandinante
17
Nandrehitra ny telefoniny izy, alatsinainy ny andro, nasosasosany ny rantsan-tanany, nijery Facebook izy, nijery ny rindrin’ny namany maromaro, tsy nisy resaka faharavan’Antananarivo na ny kely aza, tsy nisy resaka havandra, vain’afo mihoson-dra nandoro izay rehetra nilatsahany.