15
Sakaiza akaiky dia akaikin'Andrianampoinimerina ity printsy Ratefinanahary ity, nankasitrahan-dRadama I fatratra sady zaodahiny rahateo, mpahay dipilomasia voalohany teto Madagasikara nanaitra ny mpanjaka an'i Angletera Georges V izay variana hoe hay tsy olon-dia izany mponina any Madagasikara
Nitodika farany Rabe nibanjina ireo vato nivangongo nilelalela afo nisolo ilay tranovato fiangonana.
Mbola vaka izy tsy dia tapa-kevitra loatra hoe ho aiza moa teo anoloan'ny vavahadim-piangonana. Variana nijery lanitra dia nahita andiam-borompotsy an-jatony niara-nirona toa ho any Andohalo any angaha.
Teo izy no nahita an'i Lisy.
Tsy tena nisy antony manokana nampitodika azy tany amin'i Lisy, hoe feo na fofona fa nanara-maso an'ireo vorompotsy izy dia hitany tery ambony tery fotsiny.
Kisendrasendra hafa kely angaha fa nibanjina an-dRabe i Lisy tery an-tampom-piakaran'ny Lalana Printsy Ratefinanahary mahazo an'Andohalo iny. Sakaiza akaiky dia akaikin'Andrianampoinimerina ity printsy Ratefinanahary ity, nankasitrahan-dRadama I fatratra sady zaodahiny rahateo, mpahay dipilomasia voalohany teto Madagasikara nanaitra ny mpanjaka an'i Angletera Georges V izay variana hoe hay tsy olon-dia izany mponina any Madagasikara izany fony Ratefinanahary namita iraka tany niaraka tamin-dry Andriamahazonoro, marani-tsaina sy olon-kendry antemoro, Rahaniraka sy ny kambany taminy Raombana, Razafinkarefo, Ravarika, Raolombelona, Andrianaivo, Rakotomavo, Ramboa, Andriantsiory ary Ratsimisetra tamin'ny 1821. Tsy ny mpanjaka anglisy ihany no gaga fa toa hoe Angletera iray manontolo mihitsy. Iraka izay nahomby satria vitany ny nandresy lahatra ny Anglisy handefa tekisinisianina maro samihafa toy ny mpahaimaritrano, mpanefy vy, mpandrafitra, mpanenona, mpanao hoditra sns. Tamin'ny taona 1821.
Raha tsy noho ireo fiara sy trano nirehitra dia tsy ho hitan-dRabe akory i Lisy tao anaty haizin-kitroka nefa ny andro mbola tsy amin’ny roa amby folo antoandro akory. Endrey izany hafalian-dRabe, nitsiky izy, nitondra hafaliana tao am-pony ny nahita an’i Lisy izay mbola tsy fantany anarany tao anaty afo sy setroka. Toa vahona tokana anaty tanin-gazana ny fahitany an’i Lisy, toa volamena tsara afina anatin’ny vovoka, toa voninkazo soa maniry anaty saham-pako, toa dobokelin’Andriamanitra nangirana nibanjina azy tao anaty afobe. Dia tsy hita indray i Lisy. Tsy hita ny nanjavonany. Tsy hitan-dRabe intsony tao ambadiky ny setroka efa nanomboka nampikohaka sy nampangirifiry ny masony. Nikoropaka Rabe, nitaditady hoe nankaiza izy teo. Tsy nidina aloha izy, izay no azony antoka. Koa raha tsy nidina izy, tsy maintsy niakatra an’Andohalo na nivily tamin’ilay lalan-kely mivoaka ery ambanin’ny Kolejy Maria Manjaka ery. Tsy nisalasala Rabe na iray segondra monja aza tamin’ity indray mitoraka ity fa tapaka ny heviny fa hanaraka sy hikaroka an’i Lisy tsy nisy hataka andro. Nofafany ny ranomasony, ranomason’alahelo mifangaro ranomason-tsetroka tsy zaka, dia lasa izy. Nandingana indroa intelo inefatra teo Rabe, hiditra ilay sakelidalana no poatoizay, tsy hainy mihitsy hoe fa nisy inona na amin’ny fomba ahoana fa dia tonga teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana izy tampoka teo. Tsy hainy mihitsy hoe nahoana fa dia teo izy tany Ambatonakanga, avy eo, tsy iray segondra aty aoriana akory, teo an-tokotany andrefan’ny Rova, nitoetra teo ankavanan’i Lisy, nitazam-potsiny an’Antananarivo potika sy levona tanteraka, rambasan’ny havandra sy ny vain’afo mihoson-dra, nataony nahita ny tsy fahita. Antananarivo may, rava, sempotry ny loton’ny fakony nidonaka.
Ireo voambolana 👉 15
- nilelalela
nampirapiratra loatra
trop éblouir - vaka
tsy tapakevitra
indécis - mpahaimaritrano
olona izay ny asany dia ny mamolavola ny planina ana edifisy ary mitarika ny fanatanterahany
architecte - mpanenona
olona izay ny asany dia manenona
tisseur - sakelidalana
toerana izay ihaonana lalana na arabe maromaro
carrefour - poatoizay
tampoka teo
soudain - rambasana
kaikerina tampoka
mordre soudainement - nidonaka
nanetroka
être enfumée