11

Fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa, asa na noho ilay fony mbola taitra tsy nitony tsara nidobodoboka tsiankiato teo am-baravaran-dRafahafatesana na noho ilay satroka ba tsy matiny lolo tao am-paosiny na noho ilay sarina mompera manga

audio-thumbnail
I11
0:00
/421
“Aoka isika hivavaka!”, hoy i pasitera.

Niara-nitsangana ny fiangonana somary nigodongodona dia niara-nikimpy. Nihanalefaka ny feon’i pasitera, nihamora ihany koa ka nila nanongilan-tsofina tsara vao tena nahare ny tonom-bavany.

Nikimpy maso foana Rabe hatrizay hatrizay rehefa tonga ny fotoana fiaraha-mivavaka na tao am-piangonana izany na tany an-trano na tany amin’izay toerana rehetra misy an’izany – toy ny olon-drehetra. Fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa, asa na noho ilay fony mbola taitra tsy nitony tsara nidobodoboka tsiankiato teo am-baravaran-dRafahafatesana na noho ilay satroka ba tsy matiny lolo tao am-paosiny na noho ilay sarina mompera manga fihodirana miramiran-dava hitany tao amin’ny Facebook ny alin’io niverina tao an-tsainy tsy hainy loatra hoe nahoana izay nisy soratra teo ambaniny nanao hoe:

”Tamin’ny misionera tonga taty voalohany, nanana baiboly ry zareo, isika nanana tany. Hoy ry zareo avy hoe aoka isika hivavaka. Koa nakimpintsika ny masontsika. Rehefa nanokatra ny masontsika isika, azontsika ny baiboly, azon-dry zareo kosa ny tany.”

Noheverin-dRabe fa mompera moa noho ilay akanjony fa ariseveka Tafrika Atsimo izy no tena marina. Ariseveka mandala ny fandriampahalemana sy ny tsifisiantabataba, olombelona mamihoditra hatraiza hatraiza. Desmond Tutu no anarana nisoratra teo amin'ilay sary, tsy dia hita ilay soratra raha tsy nandinika tsara ary asa mihitsy raha izany no nahatonga an-dRabe tsy nikimpy ny masony na ilay satroka ba tao am-paosiny fa dia tsy nikimpy mihitsy ny masony nandritra ny vavaka na ny kely aza. Mba indray mandeha fotsiny hoy izy anakampony nanamboatra saina. Iza rahateo moa no hahita ahy eo. Sady niherikerika kely izy. Afa-tsy ireo izay tsy mikimpy koa angaha, dia nolalovan-tsiky kely ny endriky Rabe. Dia raha hisy aza izany dia sahy hanao fijery manameloka ahy ve izy ireo nefa izy koa aza tsy mitsiky? Dia niherikerika indray Rabe sady nitaintaina kely ihany.

Nikimpy avokoa izay olona tazan'ny masony.

Raha tsy hoe angaha hoe. Mpitsikilo ireo izay tsy mikimpy ny maso rehefa mivavaka. Sady nailiky Rabe avy hatrany izany eritreritra izany no variana izy nandinika ny iray fiangonana niondrika, niombom-bavaka, nangina. Toy ny hoe niray fo izany. Ny tanan'izy ireo na teo ambany maso, nakambany, na ny tanany ankavanana somary teo ambany handrina, teo anelanelan'ny maso roa. Mbola variana nandinika ireo mpiara-miangona taminy Rabe no tojo tampoka ireo maso. Maso mangirana somary kelikely nibanjina azy toy ny kintana kambana teny an-danitra, mason-tsaka nisangy ny alina, dobo kely mampite hilomano tsotra izao. Maso nandinika azy, nilentika any amin'ny atim-panahiny, nanindrona sy nandrirotra ary nanao sinto-mahery ny fony.


Ireo voambolana 👉 11

  • nigodongodona
    feon-tongotra mihetsika miredona
    bruits de pas
  • tsy matiny lolo
    tsy ariny
    ne quitte pas son esprit
  • olioly
    miolikoli-bolo
    ondulés; curly
  • ankamantatra
    kilalaontsaina miendrika fanontaniana milalao kisarin-teny
    jeu d’esprit consistant à poser une question imagée
  • ampanonona
    kilalaontsaina mitovy amin’ny ankamantatra saingy fohy ny fanontaniana
    jeu d’esprit comme l’ankamantatra mais la question est courte
  • sarilafika
    sary atao lafiky ny biraon’ny solosaina na efijerin’ny telefonina, tablety
    fond d’écran
  • efijery
    velarana isehoana sary na datà elektronik
    aécran
  • tombonkavatsa
    marika, sary na kisary sokirina anaty hoditra
    tatouage
  • manopy mena
    somary mena
    nuance de rouge
12
Dia toa ireny tsiky mambabo sendra mifanena eny an-dalana ireny tokoa ve? Manjelatra ny fo, tsaroana foana foana, ezahana tadiavina eraky ny tampon-tanety, antenaina hoe hipoitra isak’izay toerana aleha, karohana eraky ny Facebook nefa tsy hita mihitsy.