10 (Nifanojo ny mason'i Lisy sy Rabe)

Ny nahafinaritra an-dry zareo manokana tamin’izany dia ny namandrika akanga dia toy ny fanaon’ny ankizy ankehitriny mbola mamandrika fody, indrindra fa ireo kilonga lavitra tanàn-dehibe.

audio-thumbnail
I10
0:00
/275.5

NAMPIAKA-PEO TAMPOKA I PASITERA teny ambony polipitra.

Navonkiny ny totohondriny, nakariny tampoka nanaraka an'izay koa ny feony, nangirana ny lohany sola. Nitsamboatra Rabe efa somary nitan-takolaka teo ambony dabiliom-piangonana. Raha nisy kely dia niesona teo am-pitoerana teo izy, efa nanofy kely mihitsy aza izy. Nanofy zavona. Rako-javona ny tontolo, ary toa nitsingevana izy, nihevaheva ao anaty zavona. Andeha hitohy iny mihitsy ilay nofy no tapaka. Ny feon'i pasitera izay nitrerona tampoka izay teo am-panaovana toriteny.

Nitsamboatra am-pitoerana toy ireny manofy mianjera ireny Rabe, ny toriteny tsy arany loatra, asa, nikasika raharaham-pirenena angamba, na nikasika olona iray manokana, tsy dia henony loatra fa tazany fotsiny ny endriky ny reniny nifantoka dia nifantoka dia naminany izy hoe mety ho izao indray angamba izany resaka izany.

Nitoditodika Rabe, nitaza-maso ny tao am-piangonana, tojo karazan'endrika sy tokotanin-tarehy maro. Tao ny nankasitraka marindrano ilay resaka voizin'i pasitera, mihetsika matetika ny lohany, manaiky zato isan-jato izay voalaza, tao kosa ny tsy nankasitraka mihitsy ary tsinjo teny amin'ny tarehiny ny hasosorana nameno ny ainy iray manontolo.

Tsy dia tafiditra tao anatin'izany moa Rabe, tsy dia azony loatra rahateo ilay resaka sady tsy dia tiany hidirana lalina fa ny nahatalanjona azy fotsiny dia hatrizay izy nihevitra fa ny fiangonana dia natao hampiray fa tsy mba hampizarazara amin'ny resaka fiandaniana amin'ny olona na firehan-kevitra tsy itoviana.

Politika hafahafa.

Tsy dia azon-dRabe loatra ilay resaka sady niverina tao an-dohany tampoka rahateo ny figiakan'ny kodiaran'ilay takisiabe, ny fofona nikarainkona, nifofofofo tao an-dohany ny tarehin'ireo gaga tao anaty takisiabe, nifofofofo dia nijanona, dia nifofofofo indray dia nijanona. Nisanasana vava avokoa ireo mpandeha sady tany aminy avokoa ny masony vaka, nivarahontsana. Navoakan-dRabe avy ao am-paosiny ilay satroka ba mavokely sady natsipalony tany amin'ny alitara, teny ambony polipitra ny masony sao dia nitodika tany aminy i pasitera. Tafiditra tanteraka tao anaty toriteny ity farany ary tsy tany aminy no nitodika fa ny reniny kosa no nahatazana sy nangarika azy toy ny nilaza tsy nivolana hoe ampirino any iny zavatra iny fa mahamenatra olona.

Nampidirininy toy ny tsy teo ilay satroka ba. Nobedainy mangina tao am-paosiny sady niketrona ihany izy no vao mainka lasa ny sainy hoe mba iza loatra àry izany tovovavy izany. Kivy izy nony avy eo satria nihevitra izy fa tsy ho hitany intsony toy ireny tsikitsiky sendra miserana eny andalana eny ilay tovovavy sady nitraka izy nijery ny haben'ilay fiangonana tsara rindra tsy lefin'ny fotoana mbola mijoro, mbola mijoala, mbola meva.

Tsy fantatry Rabe hatrany moa tamin’izay fa dadaben’ny dadaben’ny dadabeny tany anie ka anisan’ireo zatovolahy nikorana sy nilalao teny Ambatonakanga teny, nanodidina ny toerana nisy ny tranovato fiangonana indrindra taonjato vitsy lasa izay. Satria teny mantsy dia fonenan’ny akanga dia, ny nisambotra azy ireny no tena nankafizin-dry dadaben’ny dadaben’ny dadabeny sy ny sakaizany tamin’izany. Toerana somary voadidina hazo lehibe izay moa izy io taloha. Rakotra verontsanjy, ahitra lava, ampanga sy zava-maniry hafa maro. Ny nahafinaritra an-dry zareo manokana tamin’izany dia ny namandrika akanga dia toy ny fanaon’ny ankizy ankehitriny mbola mamandrika fody, indrindra fa ireo kilonga lavitra tanàn-dehibe. Nisy vatovato nivangongo koa tao ka nahafinaritra ery ny nikorana teny tamin’izany.

Tsy fantatry Rabe izany tamin’izany, tsy hoe nametraka tantara koa ity razambeny fa niezaka niaina tsotra teny, tsy dia nitady olana, nankafy ny zava-misy teny. Dia ireo vato nivangongo fahiny ity lasa Tranovato. Saingy hiverina ho vato hivangongo hikisinkisina hilasilasy amin’ny tany afaka fotoana vitsy monja.


Ireo voambolana 10 👈

  • polipitra
    fitoeran’ny mpitoriteny ao am-piangonana, matetika avoavo
    chaire
  • nihevaheva
    nitsinkafona teny amin’ny rivotra
    flotter dans l’air
  • marindrano
    fankasitrahana zato isan-jato
    assentiment total
  • kodiarana
    kodia afaka mihodinkodina andehanana fitaterana iray
    pneu
  • nikarainkona
    niketrona sy nifintina sady namoaka fofona may
    être plissé de manière informe et se retrécir tout en dégageant une odeur de brûlé
  • nifofofofo
    nitsoka mafy dia mafy
    souffler très fort
  • nisanasana
    nisokatra be
    ouvrir grand
  • vaka
    tsy tapakevitra
    indécis
  • natsipalotra
    nojerena vetivety
    apercevoir assez rapidement
  • alitara
    latabatra somary lehibe ao am-piangonana matetika eo ambanin’ny hazofijaliana
    autel
  • mijoala
    mijoro avo loha
    s’ériger avec hauteur
  • verontsanjy
    karazam-bero vaventy sady lava
    andropogon cymbarius
  • ampanga
    karazan-javamaniry tsisy voa na voninkazo
    fougère
  • hikisinkisina
    malain-kihetsika
    qui rechignent à bouger
  • hilasilasy
    tsy rototra
    imperturbable
11
Fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa, asa na noho ilay fony mbola taitra tsy nitony tsara nidobodoboka tsiankiato teo am-baravaran-dRafahafatesana na noho ilay satroka ba tsy matiny lolo tao am-paosiny na noho ilay sarina mompera manga