Ilay saka maranitra
Indray andro hono, nalahelo dia nalahelo ilay tovolahy kely
Raha amin'ny teny frantsay, dia peho eto 👇
Indray andro hono, nalahelo dia nalahelo ilay tovolahy kely. Maty ny mamany, dia avy eo maty koa ny dadany. Lahitokana izy ary tsy namela n'inon'inona taminy afa-tsy saka anankiray ny ray aman-dreniny.
Saingy izao. Hafa kely kosa ity saka ity, maranitra dia maranitra izato izy.
"Omeo kiraro aho", hoy ilay saka tamin'ilay tovolahy, "dia hataoko izay hahasambatra an'ialahy!"
Gagagaga ilay tovolahy hoe ataony inona koa kiraro, fa nomeny ihany.
Dia nanaovan'ilay saka.
Dia lasa ilay saka nankany an-tsaha, dia nisambotra bitro izy, nataony tao anaty gony, dia lasa izy nankany amin'ny mpanjaka ka hoy izy hoe:
"Indro mpanjaka misy bitro ho anao, fanomezana avy amin'ilay tovolahy iray izay"
Dia faly ilay mpanjaka, ary isan'andro dia nanateran'ilay saka karazana biby foana izy. Akoho, ganagana, karazan-trondro. Ary vao mainka faly ilay mpanjaka hoe mba mahafinaritra kosa ilay tovolahy mampaniraka an'ilay saka aty amiko isan'andro izao.
Indray takariva, hoy ilay saka tamin'ilay tovolahy hoe mandehana milomano etsy amin'iry renirano iry. Dia lasa ilay tovolahy nilomano tetsy amin’ilay renirano.
Nony nandalo ilay mpanjaka sy ny zanany vavy dia hoy ilay saka hoe:
"Vonjeo! Vonjeo! Tsy mahay milomano ilay tovolahy! Mpangalatra e! Mpangalatra e! Nisy nangalatra ny akanjony!"
Taitra ilay mpanjaka ka avy hatrany dia naniraka ny olony izy hamonjy an'ilay tovolahy. Dia nasainy nomena akanjo tsara tarehy. Faly ilay mpanjaka nahita anazy, hoe hay io izany ilay tovolahy nampaniraka an'ilay saka hitondra sakafo isan'andro.
Faly ihany koa ny zanany vavy nahita anazy.
Dia lasa indray ilay saka nihazakazaka tany aloha, nialoha lalana an-dry mpanjaka, ny zanany vavy, ary ilay tovolahy. Nony tonga tany alohaloha tany izy, dia nomeny angady vaovao sy matanjaka tsara ireo tantsaha, ka faly dia faly ry zareo tamin'izany.
Dia notenenin'ilay saka hoe rehefa mandalo eo ny mpanjaka, dia teneno izy hoe sambatra ianao ry mpanjaka manana an'io tovolahy io fa nomeny angady vaovao sy matanjaka tsara izahay, amin'izay hoy izy miroborobo tsara ny fanjakanao.
Dia rehefa nandalo ny mpanjaka, dia notenenin'ireto tantsaha tokoa izany, dia variana ilay mpanjaka sady faly ny fony.
Ary tapaka ny heviny fa mety raha lasa vinantony ilay tovolahy, ilay zanany vavy rahateo efa nahafinaritra anazy ilay tovolahy.
Fa alohan'ny zava-drehetra, nozahan'ilay mpanjaka ny toetrany. Izany hoe, nojereny hoe manana toetra mendrika sa tsia, mavitrika ve sa tsia, tia manavotra ve sa tsia, madio fo tokoa ve sa tsia. Nony hitany hoe nanana toetra mendrika, nony hitany hoe mavitrika, nony hitany hoe tia manavotra, nony hitany hoe madio fo, dia nanome tsodrano ny fanambadian'ilay tovolahy sy ny zanany vavy ilay mpanjaka.
👇👇👇