Ilay mpanjaitra sy ilay boky kely

Indray andro hono, nisy mpanjaitra anankiray izay

Ilay mpanjaitra sy ilay boky kely, nosoratan'i Mose Njo
Ilay mpanjaitra sy ilay boky kely, nosoratan'i Mose Njo
audio-thumbnail
Ilay mpanjaitra sy ilay boky kely
0:00
/204.058005

Raha amin'ny teny frantsay, dia peho eto 👇

Le couturier et le petit livre
Il était une fois, un couturier qui était triste comme tout car personne ne voulait de lui comme couturier et il avait à peine de quoi manger

Indray andro hono, nisy mpanjaitra anankiray izay. Nalahelo fatratra izy fa tsy nisy olona nampanjaitra akanjo mihitsy tany aminy ary zara raha nahavidy sakafo izy.

"Hakatoko ny tsenako rahampitso", hoy izy anakampony, sady lasa namonjy fandriana hatory.

Teo ambony latabatra tamin'izay, nisy lobaka nozairiny izay, mbola tsy vita, sady ratsy ny zaitrany, izay no mahatonga ny olona tsy tonga ao aminy, tsy tsara ny zavatra ataony.

Nony nifoha maraina izy, dia akory ny hagagany fa vita tampoka teo tsy hay hoe nahoana ilay lobaka ary lasa tsara zaitra tokoa. Gaga ilay mpanjaitra sady faly izy.

Dia nentiny nivoaka kely ilay lobaka, dia nisy ramatoa nijanona, naka an'ilay lobaka teny an-tanany sady niteny hoe:

"Vidiako ity lobaka ity fa tsara ery izy izany!"

Dia faly ery ilay mpanjaitra fa nahalafo akanjo. Dia niverina tao an-tsenany izy dia nahatsikaritra fa nisy boky kely teo ambony latabatra.

Noraisiny ilay boky kely, dia navadibadiny ny pejy. Boky mampianatra manjaitra tsara izato izy. 

"Ataoko inona boky mampianatra manjaitra tsara", hoy izy anakampony, "Izaho indray ve no ampianarina manjaitra tsara. Efa mahay aho, izaho anie mpanjaitra e!"

Dia natsipiny ilay boky, dia lasa nivoaka nividy zavatra tetsy sy teroa tamin'ny vola azony.

Nony lany ny volany, dia nody izy, dia nikaroka lamba tao, dia nanjaitra akanjo.

Ny ampitso, tonga tao an-tsenany ilay ramatoa nividy lobaka, dia nanontany hoe: 

"Misy akanjo hafa nozairinao angaha fa tena tiako ilay lobaka iny?"

Dia nasehon'ilay mpanjaitra taminy ilay lobaka vaovao nozairiny. Dia kivy ilay ramatoa nahita ny zaitrany sady niteny hoe:

"Ary tsy ianao akory kay no nanjaitra an'ilay lobaka omaly iny"

Sady iny izy no lasa.

Tezitra tamin'ilay ramatoa ilay mpanjaitra sady nivazavaza izy hoe:

"Ity vavanao ramatoa ity a! Izaho anie mpanjaitra mahay e! Izaho no nanjaitra an'iny fa iza indray?"

Ilay ramatoa efa lasa, tsy henony akory izay nolazain'ilay mpanjaitra. 

Ilay lobaka ratsy zaitra teo ambony latabatra, ilay boky mampianatra manjaitra tsara kosa tamin'ny tany.


💡
Le Blog de Mose Njo est gratuit, si vous voulez contribuer à garder cette gratuité du Blog pour un libre accès inclusif, achetez Lisy Mianjoria en cliquant ici (si vous êtes hors Madagascar) ou dans toutes les bonnes librairies ou encore un tips, ce serait bien sympa 🤗

👇👇👇