Ilay fosa sy ireo zanakaragidro kely

Indray andro hono, nisy reny ragidro iray, andeha hivoaka hitady sakafo ho an-janany fito

Ilay fosa sy ireo zanakaragidro kely, nosoratan'i Mose Njo
Ilay fosa sy ireo zanakaragidro kely, nosoratan'i Mose Njo
audio-thumbnail
Ilay fosa sy ireo zanakaragidro kely
0:00
/274.230998

Raha amin'ny teny frantsay, dia peho eto 👇

Le fossa et les petits lémuriens
Il était une fois, une mère lémurienne qui allait sortir pour chercher de quoi manger à ses sept petits lémuriens

Indray andro hono, nisy reny ragidro iray, andeha hivoaka hitady sakafo ho an-janany fito.

Ka folo hafatra tamin'ireto zanany fito nanao hoe:

"Tandremo dia tandremo rankizy, fa mihaodihaody any ivelany any ny fosa. Aza avela hiditra ato an-trano mihitsy izy. Fetsifetsy ratsy iny fosa iny, be fitapitaka. Saingy izao no ahafantaranareo anazy: garagara feo izy, ary maranitra dia maranitra ny hohony rehefa vonon-kihaza iny izy."

Nony lasa kelikely ilay reny ragidro, dia inona tokoa? Iny àry fa nisy nandondona sahady.

Do! Do! Do!

"Iza izao ô?", hoy ireo zanakaragidro kely fito.
"Izaho ihany e, reninareo fa vohay ny trano!"

Dia hoy ireo zanakaragidro kely enina hoe:

"Garagara feo ianao! Izany hoe fosa ianao!"

Ilay zanakaragidro kely faralahy fahafito kosa tsy niteny, sady niezaka izy niteny iretsy zokiny enina hoe:

“Tsy tokony notenenina hoe ahoana no nahafantarana fa fosa izy.“

Saingy tsy nihaino azy ireto zokiny.

Dia lasa ilay fosa tany lavidavitra tany nianatra nampalefaka ny feony.

Nony hitany hoe nalefaka tsara ny feony, dia niverina izy.

Do! Do! Do!

"Iza izao ô?", hoy ireo zanakaragidro kely fito.
"Izaho ihany e, reninareo fa vohay ny trano!"

Nony ren'ireo zanakaragidro kely enina hoe malefaka ny feony, dia saika tonga dia namoha trano izy, saingy nosakanan'ilay faralahy fahafito, sady niteny izy hoe:

“Andao aloha tsirihana sao dia maranitra dia maranitra ny hohony.”

Dia notsirihan-dry zareo, ka io tokoa fa maranitra dia maranitra ny hohony, ary io tokoa fa fosa ilay izy fa tsy ny reniny.

Dia hoy ireo zanakaragidro kely enina hoe:

"Maranitra dia maranitra ny hohonao! Izany hoe fosa ianao!"

Ilay zanakaragidro kely farahalahy fahafito kosa tsy niteny, sady kivy izy no niteny ireo zokiny hoe:

“Fa maninona izao no notenenina taminy hoe ahoana no nahafantarana fa fosa izy?!”

Saingy tsy nihaino azy ireto zokiny.

Dia lasa ilay fosa nitady fomba nampitovy ny tanany tamin'ny tanana ragidro, somary nolokoiny fotsifotsy tamina karazana vovoka fotsy.

Nony hitany fa nitovitovy, dia niverina izy.

Do! Do! Do!

"Iza izao ô?", hoy ireo zanakaragidro kely fito.
"Izaho ihany e, reninareo fa vohay ny trano!"

Sady napoitrany kely nataony tazana avy ao anatiny avy eo am-baravarankely ilay tanany mitovitovy amin'ny tanana ragidro.

Dia faly ery ireo zanakaragidro kely fito hoe:

“Ineny izany, ineny, tsy garagara ny feony, tsy maranitra dia maranitra ny honony.”

Dia nosokafan'ireo zanakaragidro kely enina ny varavarana, tsy voasakan'ilay faralahy ireto zokiny. Avy hatrany dia nitsotsotsotso ilay fosa.

Ny hany nataon'ilay faralahy, nitsoaka haingana avy eo am-baravarankely.

Nanomboka tamin'izay andro izay hono, dia misy ny milaza fa ho ringana tanteraka ny ragidro raha tsy henoina ny zandriny indrindra, raha tsy henoina ny maranitra indrindra.


💡
Le Blog de Mose Njo est gratuit, si vous voulez contribuer à garder cette gratuité du Blog pour un libre accès inclusif, achetez Lisy Mianjoria en cliquant ici (si vous êtes hors Madagascar) ou dans toutes les bonnes librairies ou encore un tips, ce serait bien sympa 🤗

👇👇👇