Nahoana ny Malagasy 🇲🇬 no MBOLA tara lava (ary fomban-javatra izany) ary nahoana ny Japone 🇯🇵 TALOHA no tara lava (ary nahoana no fomban-javatra izany tamin'izany, saingy efa tsy izany intsony amin'izao)
Mety alaim-panahy ihany isika Malagasy 🇲🇬 hino fa efa toy izany hatramin'izay naha Japone ny Japone kosa angamba ny tany Japana 🇯🇵 tany mikasika ny fotoana 🕰️. Mety alaim-panahy isika ary mety handeha ho azy aza izany eritreritra izany, saingy izao anefa, tsy izany mihitsy no zava-misy tany.
Madagasikara, 1817.
Tsy mahandry tantana i James Hastie. Eo am-piresahana amin'ilay mpanjaka tanora maitso volo sy lava volo antsoina hoe Radama I izy, mirandrana ny volon'izato mpanjaka sady milamindamina somary mahavariana izany. Isaky ny miteny zavatra i James Hastie, amin'ny teny anglisy, dia mitodika any amin'ny vahoakany vory ao ivelany ao i Radama I, mandika amin'ny teny malagasy, mitatitra izay voalaza, indraindray manisy ny heviny eo ambonin'ilay resaka ary mifarana hatrany amina teny toy ny hoe:
"Tsy izany va no izy, ry ambaniandro?"
Dia hoy ny nasetrin'ny vahoaka ravoravo miara-miredona manao hoe:
Izany!
Lasa saina ilay Irlande 🇮🇪. Hoy izy anakampony hoe dia mba maka fotoana ela loatra kosa eto amin'ity firenena ity na dia resaka tsotra aza fa amin'ny manaraka tsy ho hadinoko ny hanolotra famataranandro ho an'i Radama.
Izao tontolo izao, 2020.
Maherin'ny 3 miliara ny olona tokony nahiboka tao an-tranony, mifanehatra amin'ny tenany ao, tsy manana fotoana aman'olona any ho any, na any an-tsekoly izany, na any am-piasana, na hoe hiara-kisakafo atsy sy aroa, amina ora voatondro tsy diso, izay disoana matetika loatra.
Maherin'ny 3 miliara ny olona izay tsy voatery hanafaingam-pandeha intsony satria hoe tara tara, mba tsy ho tonga aorian'ilay ora marihan'ilay famataranandro, mba tsy hanafintohina an'izato fifanarahana izay toa tsy ahitana olona manozongozona firy loatra intsony.
Maherin'ny 3 miliara ny olona izay asa raha voavonjin'ny fotoana rehefa avy namonjy fotoana lava izao ary asa raha mety hanam-potoana hanarenana ireo fotoana verivery fotsiny na hanenina ireo fotoana lanilany tamin-tsisy dikany. Fotoana verivery fotsiny tsy nikarakaraina ny tokantrano araka ny tokony ho izy, kinanjo amin'izao, mihiboka maraina antoandro hariva ao amin'izato fonja izay ny tena ihany no nanorina azy. Fotoana lanilany tamin-tsisy dikany nefa tokony mba nanambatambazana sy nikolokoloina ny vady, ny zanaka, ny mpiarabelona, nefa tokony mba naka fotoana nahafantarana an'izy ireo kokoa, ary rehefa dinihana — nahafantarana ny tena kokoa.
Azo lazaina fa ankoatra ilay tebiteby miavaka nentin'ilay koronavirosy, misy an'izay fahatsapana safatsiroa izay ahafahana manandrana miaina ny fotoana amin'ny lafiny hafa tanteraka mihitsy. Na tiantsika na tsy tiantsika.
Toy ny hoe ny fotoana ara-malagasy, ohatra.
Lazaina fa ny Malagasy—isika Malagasy—dia tara lava ary tsy hay hazavaina mihitsy hoe mba nahoana loatra re. Na isika samy Malagasy aza, dia mifanome tsiny lava izao, mifanome tsiny mafy dia mafy mihitsy, ary mifanome tsiny loatra aza rehefa zohiana. Ary tsy mahafinaritra henoina izany, ary tsy mahafinaritra ny mahatsapa an'izany.
Fa mialohan'ny hanohizana ny tranga malagasy, ndeha aloha isika hitaraiky kely amin'ny tranga japone 🇯🇵. Sasantsasany tamin'ireo avaratsaina malagasy tamin'iny faramparan'ny taonjato faha XIX ary avy teo amin'ny voalohandohan'ny taonjato faha XX iny dia nanana fahalianana izaitsizy ary tsisy fefy tamin'ny Japana sy ny Japone. Na raha ny marimarina kokoa ny kisary nosoritany tao an-tsainy na ny velovelony an'ny Japana sy ny Japone. Velovelo meva tsivoafetrampotoana izato izy, raha sahisahy moa izaho hampiasa an'izato voambolana—ilay fahatsivoafetrampotoana—izay ny famaritana azy dia tsy voabedantsika na ny kely aza. Raha tsy hoe angaha ao amin'ny sy amin'ny alalan'ny tononkalo.
Angamba.
Iza no mahalala.
Tany Japana, tamin'ny 2018, nisy lamasinina 🚞 izay tokony niainga tao amin'ny Notagawa gara tamin'ny 7 ora sy 12 minitra no nitonantonana niainga tamin'ny 7 ora sy 11 minitra sy 35 segondra. Dia ahoana hoy ianao? Tohina izatsizy ny olona, hendratra ny mpandeha, ny iray tamin'izy ireo aza dia nampiakatra ilay raharaha tany any amin'ny West Japan Railway mihitsy. Tsy ela dia tonga ny fialan-tsiny ampahibemaso:
Izato fanelingelenana lehibe nianjady tamin'ny mpanjifanay dia tsy azo ekena velively, hoy ny fanazavana nentin'ilay kompania tamin'ny famoahana am-presiny. Hozahanay antsakany sy andavany ny fihetsikay ary hanome antoka izahay fa tsy hisy fanindroany ireny tsifetezana ireny.
Tsy azo ekena velively.
Izany no voambolana nampiasainy noho ilay 25 segondra alohan'ny fotoana.
Tranga mahavariana izay maneho tsara hoe hatraiza ny maha sarotiny ny Japone amin'ny resaka fotoana. Mety alaim-panahy ihany isika hino fa efa toy izany hatrany angaha hamin'izay naha Japone ny Japone kosa angamba izany tany amin-dry zareo tany. Mety alaim-panahy isika ary mety handeha ho azy aza izany eritreritra izany, saingy izao anefa, tsy izany mihitsy no zava-misy.
Ao amin'ny sasin-tenin'ilay boky "Ny nahaterahan'ny fahatarana" nosoratan'i Hashimoto Takehiko sy Kuriyama Shigehisa, dia afaka mamaky isika fijoroambavolombelona somary mahatsikaiky fa indrindra indrindra mahasanganehana ho an'izay tojo izany mikasika ny fifandraisan'ny Japone amin'ny fotoana. Fijoroambavolombelona toy ny hoe:
Nividy hazo aho ilaiko amina fanamboarana ary tokony ho tonga izato hazo rehefa samonta, kinanjo mbola miandry aho mandraka izao. Ilay mpanaotaozavatra dia nipoitra kely tany amin'ny ozinina nefa taorian'izay, tsy niverina intsony izy.
Na koa hoe:
Tamin'ny taombaovao, nila roa andro be izao izy tsy nanaovany afa-tsy ny nifampiarahaba tratry ny taona, nitety tokantrano. Raha izao no mitohy, tsy ho vitako na rahoviana na dia ny antsasaky ny tiako hotanterahana aza ary tsy maintsy hiala ity toerana ity aho.
Nisy miaramila manamboninahitra holande 🇳🇱 iray izay nitondra ny anarana hoe Willem Johan Cornelis Huijssen van Kattendijke izay nipetraka tany Japana tany amin'ny antsasatsasaky ny taonjato faha XIX tany nanoratra hoe:
Ny Japone dia manary andro lava tena mahagagagaga izany!
Izay rehetra efa nifanerasera na dia kely fotsiny aza tamina Malagasy dia tsy afaky ny tsy hahatsikaritra fitoviana. Ny fahatarana amin'ny saika fotoana nifanomezana rehetra, ilay antsoina hoe moramora, ilay karazana fidonanahana, tsifiraika mihitsy aza, izato way of life toy ny hoe tsisy mahamaika izany, eny na dia izato fotoana nifanomezana aza, eny na dia izato entana nampanaovina anao izay mety hahatafita be ny orinasa kelinao aza, fa dia e e e, tsy mba nisy na ezaka kely aza ny ho tonga ara-potoana na ny mamita an'izany ara-potoana.
Ilay diary notanan'ilay miaramila manamboninahitra holande tamin'ny 1889 teo dia mampiseho masoandro hoe hatraiza ny nampitovy ny Japone sy ny Malagasy amin'ny resaka fifandraisana amin'ny fotoana.
Tamin'ny vanimpotoana Edo sy vanimpotoana Meiji, izany hoe tamin'ny 1603 ka hatramin'ny 1868 ary tamin'ny 1868 ka hatramin'ny 1912, ny Japana dia nampiasa Tandrefana maro izay gaga izaitsizy tamin'ny fihetsiky ny mpiasa japone manoloana ny fotoana.
Fihetsika izay tsy tokana an-tany an'ny Japone irery ihany tamin'izany andro izany. Fihetsika izay tsikaritry ny mpibanjina tandrefana ihany koa tany amin'ny firenena arabo, tany Amerika Atsimo, ary mazava ho azy, taty Madagasikara. Nefa mety mpibanjina samy hafa angaha izy ireo. Nefa ny taty Madagasikara, mpibanjina hafa angaha izy ireo, satria ny mpibanjina dia mibanjina, ny mpibanjina tsy mitsara, tsy mifanalavitra ilay fijerin'i Montaigne manao hoe:
Mba faniriako raha ny tsirairay no tsy manoratra afa-tsy izay hainy, araka ny fahaizany azy, ary tsisy fanampiny...
Fehezanteny izay nananan'i Jean Carol hevitra tsara ka nataony ho epigrafin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe "Chez les Hovas" izay milazalaza ny pejiny momba ny fahagagany mikasika izay mpanaotaozavatra izay nantsoiny hanamboatra—raha tsy diso ny fitadidiako—fanaka tao an-tranony ary tsy niverina intsony. Eny e, tsy niverina izy tamin'ilay fotoana nifanomezana, fa tamin'ny tsy nisy olona kosa tao an-trano, dia namboariny tao ilay fanaka, tsy rototra, toy ny hoe fomban-javatra fahita n'aiza n'aiza izany.
Izato Jean Carol moa, tsy hitahita teo fa, ao amin'ny pejin'ilay boky io ihany, dia mety nampisongadina zava-dehibe loatra mikasika ny fifandraisan'ny Malagasy tsy hoe amin'ny fotoana, fa amin'ny asa.
Eny tokoa, tamin'ny "fanevehana ny lalamben'i Frantsa (voalohan-dahasa natao tao Antananarivo tamin'ny Laroche)", dia afaka nahita izy hoe ahoana ny fomba fiasana olona 3000, lehilahy, vehivavy ary ankizy, adiny 11 isan'andro, "karamaina enina isan-jatona iraimbilanja", ary izany, ao anatina haravoana.
Ao anatina haravoana satria miasa ry zareo sady mihirahira, misy karazana mpitarika miventy, ary satria ihany koa tsapany hoe omen-danja ny asany, ary tsy raisiny ho toy ny asa rahateo ny asany rehefa zohiana, fa raisiny ho toy ny fialamboly. Ary lasa lavitra mihitsy i Jean Carol nilaza hoe:
Azoko hoe amin'ny fomba ahoana, rehefa bangoina, ny nahatsotra ny nanorina ny piramida teny afovoanin'ny dezera, toy ny tany Ejipta, na ny nandavaka tempoly tao ankibon-tendrombohitra, na toy ny any India, tsy nisy akory an'itony milina moderna antsika itony, fa amin'ny fampihetsehana fotsiny tanana maro manara-pitsipipifehezana.
Ny andro tany dia tsy dia tena hoe karankaina loatra tamin'izany andro izany, fa tsy izay aloha ilay resaka ary raha hiverina amin'ny fotoana, dia araka ny filazan'i Edward Twitchell Hall, antropology amerikanina manampahaizana manokana momba ny fifampikasohankolontsaina, dia misy sokajy anankiroa lehibe mikasika ny fahitan'ny fiarahamonin'olombelona ny fotoana.
- Ny sokajy voalohany, dia ny olona dia karaza antsoina hoe monokronika. Ao amin'izany karaza ana fiarahamonina izany, dia ny tsirairay ao anatiny dia manao zavatra iray isaky ny mandeha, manana fandaharampotoana mazava tsara na amina fotoana voafaritra mazava tsara.
- Ny faharoa, ny olona dia karaza antsoina hoe polikronika. Ao amin'izany karaza ana fiarahamonina izany, ny olona dia afaka miaina (fa tsy hoe manao) tranga maromaro (fa tsy hoe zavatra maromaro) ao anaty fotoana iray ary mirona manome vahana ny fifandraisan'ny samy olombelona.
Ohatra hoe, indray mandeha izay, nifenana tamina namana aho, teny an-dalana, teo ambodin'ny tohatohabaton'Antaninarenina, Antananarivo. Nifampiarahaba izahay, dia nifampanontany hoe manao ahoana, dia nifampitantara an'izao sy izao. Indray minitra teny antsefatsefan-dresaka teny izy nilaza fa tara, hoe tokony hamonjy fotoana amina ora iray izay (teo amin'ny 15 minitra talohan'ny nilazany izany ilay fotoana tokony novonjena), dia nidrikina aho hoe mandehana fa naleony nijanona, naleony niresadresaka, niresadresaka an'izao rehetra misy dikany izao fa indrindra an'izao rehetra tsisy dikany izao. Dia tonga saina aho tamin'izay fotoana izay hoe aleony manome vahana ny fifandraisan'ny samy olombelona, izato fotoana nifampizarainy niaraka tamiko, izato fotoana nifampizarainay niaraka. Nanome vahana izy (ary mbola manome vahana) ny fifandraisan'ny samy olombebelona izay napetrany ambonin'ny ora nifanomezana voafaritra mazava, raha haka ny tenin'i Edward Twitchell Hall.
Aty Madagasikara, taloha indrindra indrindra, rehefa hilaza fepotoana iray, dia mampiasa fiteny toy ny hoe "in [isa] mahamasa-bary". Raha ohatra hoe haka fotoana toy ny indray mahamasa-bary izato izy, dia sahabo 30 minitra, raha ohatra hoe haka fotoana toy ny indroa mahamasa-bary, dia sahabo 60 minitra. Fa tsy fahamasaham-bary ihany no atao fanoharana, fa ny fahamasaham-patsa ihany koa, sahabo 15 minitra, sy izao karazana fahamasahana hafa izao. Rehefa milaza ora, dia milaza ihany koa isika zavatra toy ny hoe "eo am-pamatoran-janakomby", izany hoe eo amin'ny fotoana famatorana zanakomby, eo amin'ny amin'ny 2 ora na amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro iny, ary rehefa hilaza ny ora hafa rehetra, dia manaraka an'izay lojika izay avokoa.
Ny zavatra atao ambonin'ny fotoana.
Maka fotoana aho iresahana aminao.
Maka fotoana aho andrahoiko vary.
Tsy ny fotoana no mibaiko anahy hoe mila mandeha aho izao, na hoe mila taperina ity resadresatsika, ilay fotoana iarahako aminao, tsy ny fotoana no mibaiko anahy ihany koa hoe mila esoriko eo ambony afo ny vary, hesoriko eo io rehefa tsapako hoe vonona, na dia may aza ny variko tsindraindray eny.
Ny fotoana polikronika, toy ny tany Japana tamin'izany, noho izany dia malefolefo, azo volavolaina ary afaka mitsetaka amina tranga raha haka hatrany ny tenin'i Edward Twitchell Hall.
Izany no nitranga tany Japana taloha, ary mbola izany no mitranga eto Madagasikara mandraka ity ny androany. Eny e, tsy dia tena izay tanteraka, satria misy ihany ireo izay nandray an'ilay fotoana monokronika fa tsy nahavita nametraka izany araka ny tokony ho izy toy ny tany Japana, ary izany na dia efa fotoana firifiry aza izay.
Ary rehefa haintsika fa ireo fahitana ny fotoana ireo rehefa mifandona dia miteraka dofitra tsy azo tsinontsinoavana, dia rariny raha manontany tena isika hoe moa ny tsifahalalana ny fisian'ireo fahitana anankiroa ny fotoana ireo tsy anisan'ny fototry ny marary eo anivon'ity fiarahamonina malagasy ity indrindra indrindra fa tsy eto ihany, fa rehefa iny mivahiny any ivelany any iny ihany koa ilay Malagasy polikronika na rehefa miara-mipetraka amina ambanilanitra hafa any ho any.
Fitsarana—ary efa haintsika izany—anatobahana ary tsoakevitra mailaka ery nefa tsotsorina ihany—haintsika izany izao—izay tonga haingana loatra.
Ny fitsarana mailaka ery momba ny fotoana dia mankany amin'ny fitsarana mailaka ery momba ilay lazaina hoe fihatsarambelatsihy. Almoamen Abdalla, profesora lefitra ao amin'ny Tôkai Institue of Global Education and Research, teraka tao Caire 🇪🇬—izay raha tsy namaky azy io dia tsy nisy angamba an'izato fahatongavantsaina, ary ara-potoana, mikasika ny fotoana—dia nanipika fa ao amin'ny fiarahamonin'olombelona rehetra, dia toa mirona isika manome vahana ny endrika ivelany manoloana ny izy anatiny, hoe ahoana ny fahitan'ny hafa antsika mialohan'ny matoky tena isika ka misokatra amin'izay amin'ny hafa. Ilay isika maka fotoana ela mifantina ny hatao ho sary mombamomba antsika ao amin'ny Facebook angaha dia azo atao hoe porofo amin'izany.
Raha ohatra izany ka ny fitsarana ivelany voalohany rehefa tojo olona iray dia setrin'ny fanajampotoany—ana Malagasy iray—ary raha izay fitsarana ivelany izay dia hamafisin'ilay fahasamihafana manokana malagasy izay tsy misokatra loatra aman'olona, izay tsy mahay mandà loatra (toy ny Japone), dia vita vetivety ny fitsarana manao hoe ny Malagasy dia mpihatsaravelatsihy, sy zavatra hafa matetika tsy tsara, hatrany.
Mitsara olona iray hafa, mitsara kolontsaina iray hafa, miainga amin'ny fahitan'ny tena ny tontolo, miainga amin'ny solomasompandinihan'ny tena, miainga amin'ny fahitan'ny tena manokana hoe inona ny atao hoe "mandeha ho azy".
Firifiry ny gera sy ny horera izay mety voasoroka raha naka fotoana kokoa isika namantatra ny hafa aloha izay vao tohina aminy, milaza azy ho ratsy, ho malemy, ho ambany? Naka fotoana namantatra sady, indrindra indrindra, naka fotoana nampahafantatra.
Eny e, raha ny fikasana moa (tamin'izany, amin'izao) dia ny milaza marina ny fitoviana eo amin'ny mponina rehetra fa tsy ny manipika ny fahamboniana mponina iray, kolontsaina iray, manoloana mponina hafa, kolontsaina hafa, dia maka fotoana isika mamantatra, fa tantara hafa indray izay, tantara olombelona tokoa, ary doria, hono.
Tantara olombelona? Tsy azo lavina, avy eo hoe "doria", iza no mahalala izay hafitsoky ny ampitso ary
Ela ny ela, lasa avokoa
Hoy i Léo Ferré mihirahira, ary ny fotoana dia nanambara antsika tsara fa maro loatra ireo zavatra noheverintsika hoe raiki-tampisaka, hoe tsy hiova na rahoviana sy "doria" no tsikaritra fa tsy dia izay loatra.
Misy aza, ambonin'izany, dia te hanafoana tsotra izao ny fotoana na inona lazain'i Léo Ferré na inona, satria amin'izay mantsy, dia tsy misy lasa na ny kely aza, satria ny fotoana, efa tsy misy. Misy aza dia te hanafoana tsotra izao ny fotoana, toy ry zareo ao amin'izato nosy norvezianina antsoina hoe Sommarøy. Satria tokoa araka ny filazan'i Kjell Ove Hveding, mponina ao amin'io nosy io:
Ny maraina, mila mandeha miasa amin'izao ora na amin'izao ora, ary na dia rehefa avy miasa aza, ny famantaranandronao dia maka ny fotoananao. Mila manao an'izao aho, mila manao an'izatsy. Ny tsikaritro, dia hadinon'ny olona fa afaka mandeha ho azy izy, manapakevitra hoe tsara ny andro, baliaka ny masoandro, dia ndeha hiaina fotsiny.
Meva kosa izany.
Ary rehefa miresaka Norvezy 🇳🇴 ihany, Øyvind Dahl, profesora norvezianina ana antropolojia ara-piarahamonina sy ara-tserasera ana fifampikasohankolontsaina ao amin'ny Sampampianarana ana Misiona sy Teolojian'i Stavanger (izay teraka taty Madagasikara, tao Antsirabe), ao amin'ny boky "Signes & significations à Madagascar" dia mampitandrina amin'ny fomba malefaka hoe:
Ny fahitana ny fotoana dia singa fototra manan-danja manokana ana mponina amin'ny fomba fijeriny ny tontolo ary milentika ao amin'ny tranga sy lahasa isan-karazany. Ao amin'ny serasera ana fifampikasohankolontsaina, ny tsififankahazoana ateraky ny tsifitoviana eo amin'ny fahitana samihafa ny fotoana dia mitarika matetika fahasorenana sy fanohizana hatrany ny fitsarana dieny am-boalohany ho an'ny ankilany rehefa misy fihaonana ara-kolontsaina.
Rehefa hiresaka fanoharana ara-potoana malagasy, ao anatin'io boky io ihany, dia maneho fa amin'ny malagasy:
- rehefa hanondro tranga tany amin'ny lasa, na ny lasa, dia mampiasa ny voankevitra taloha na teo aloha (izay midika hoe eo anoloana)
- rehefa hanondro tranga ankehitriny, dia mampiasa ny voankevitra izao na izao fotoana izao (izay manondro toy ny "io" saingy tsy hita maso akaiky, toy ny hoe: "Piho izao tele mitatatata izao!" raha any ambadika any ilay miteny)
- rehefa hanondro ny hoavy, dia mampiasa ny voankevitra amin'ny manaraka (ao ivoho) na any aoriana (any afara)
Naotiany hoe:
Azontsika lazaina izany, ara-panoharana, fa ny Malagasy dia mandeha mianotra mankany any amin'ny hoavy!
Fa ampiany nony avy eo hoe:
Raha ny marina, ilay fijery fanoharana manaraka ito no tsy azo lavina hoe mitombina kokoa: ny mpibanjina tsy mihetsika na ny kely aza ao anatin'ny fotoana, ny mifanohitra amin'izany aza, ny fotoana no tamy avy aty aoriana ary misongona ny mpibanjina. Amin'izay, satria tsy manana maso afa-tsy eo anoloan'ny loha, tsy afaka "mahita" izy afa-tsy ny ankehitriny sy ny lasa, kanefa ny hoavy dia tsifantatra,"tsy hita".
Ny tsififehezana an'izay sy ny zavatra mafonja hafa momba ny tena sy ny hafa, fa ihany koa ny fanabeazana mirona tandrefana sy ny fiofonkolontsaina tsy hay sakanana, no nahatonga an'ireo Malagasy maro dia maro izay nihevitra hoe mety aminy ny mihaino olona, tsy voatery hoe ratsy fikasa amin'ny ankapobeny, te hino izany aho, izay manao di-doha hoe (Arahaba fa) Tratry ny Taona dia tsy mety, satria ny fotoana dia tsy "mihetsika", fa (Arahaba fa) Nahatratra ny Taona no mety, satria ny olona no "mihetsika" noho izany.
Ilay Tratry ny Taona moa midika hoe "mirary anao fa tratry ny taombaovao ianao" ary ny Nahatratra ny Taona dia midika hoe "mirary anao fa nahatratra anao ny taombaovao".
Eto ihany tokoa aho dia te hanipika hoe ity lahatsoratra ity dia notairina tweet iray izay nataoko indray Paska. Na raha ny marimarina kokoa tamin'ny fanehoankevitra sy ny fientanana nanodidina azy io. Mariho anie amin'ilay tweet itsy ambany itsy, fa nanao diso roa aho.
Ny voalohany, tsipelina, tsy haiko loatra hoe nahoana fa te hametraka c hatrany aho rehefa manoratra Pâques, ary matetika misalasala hoe hametraka s amin'ny farany na tsia. Angamba satria teo amin'ny "protestantisma" malagasy nitaizana anahy, dia milaza hoe Paska ary teo amin'ny katolika izay nandaniako fotoana elaela ihany, dia milaza hoe Paka, sa moa misy ifandraisany amin'ilay hoe Passover na Easter, tsy haiko loatra, fa isan-taona, dia eo aho.
Ny faharoa, dia eo amin'ny famaritana ny hoe Tratry ny, somary mahatsikaiky satria faniriako ny hoe ampy ao anaty tweet iray fotsiny izato izy, saingy ny famerana ny isan'ny singa dia nandavo ny sada notsiloviko eto, izay tsy tena hoe diso tahaka ny inona ao amin'izato tweet, ho an'ilay hafatra, ary hamafisiko ihany na izany aza ao amin'ny fanehoankevitra iray ao ambany ao, fa mahatsikaiky ihany na izany aza:
Hanipihana mafimafy kokoa hoe ny fotoana no "mihetsika" fa tsy ny mpibanjina na ilay Malagasy, Øyvind Dahl dia minaoty ihany koa hoe:
- miandry fotoana, izay midika ara-bakiteny izany ary alaivo sary an-tsaina toy ny hoe ny fotoana no andrasana, ny mpibanjina tandrefana eto hilaza hoe: ny fotoana mandalo
- mihazakazaka ny fotoana, izay midika ara-bakiteny ary alaivo sary an-tsaina toy ny hoe: ny fotoana no mihazakazaka
Ary milaza ihany koa hoe isaky ny kolontsaina dia ahitana fahitana ny fotoana ara-tsipika, ara-pifandiasana ary ara-tranga, fa misy mibahana.
- fahitana ny fotoana ara-tsipika: ny fotoana dia mikoriana amina fitsika tsiankijanona, na mifoha isika na matory; na mahatsiarotena na tsimahatsiarotena, na marisika na risihana, azo lazaina hoe izany ny fahitana monokronika
- fahitana ny fotoana ara-pifandiasana: ny fotoana dia mifototra amin'ny fibanjinana ny kisary ara-boajanahary, ny olona dia mijery ny fiposahana sy ny fodian'ny masoandro ao anaty fifandiasana anandro, ny fotoana dia tsy ankanifisana, mitohy tsy mijanona ary miverina foana foana, avy amin'ny lahasa andavanandro sy andavantaonan'ny fiainana an-trano sy an-tsaha ihany koa, ohatra hoe, fotoana raikitra ho an'ny sakafo, famoahana ny biby, fanondrahana ny voly, azo lazaina hoe izany ny fahitana polikronika
- fahitana ny fotoana ara-tranga: ny fotoana dia ara-kalitao, tsy azo refesina, tsy afa-manao afa-tsy ny miaina azy ary izany dia amin'ny fomba fahitana azy samirery, ohatra hoe, ny karaborosy iray dia tsy miainga amin'ny ora raikitra fa rehefa feno izy vao miainga, rehefa ampy izany ny mpandeha andoavana ny dia ary raha azo atao ahazoana tombombarotra, azo lazaina hoe izany ny fahitana ara-tranga
Ny fahitana ny fotoana aty Madagasikara noho izany dia mibahana ny ara-tranga sy ny ara-pifandiasana sady polikronika rahateo. Raha hiverina any Japana kely, ary indrindra indrindra eo amin'ny mirazotra Madagasikara-Japana, dia afaka manontany tena isika raha:
Araka izay voalaza rehetra izay, moa ny Malagasy dia tsy Japone
tsy nahavita nitsetaka fotsiny tamin'ilay fahitana vaovaon'ny fotoana satria nandamoka ny azy ny tokony ho vanimpotoana Meijiny?
Mety ho mafy ny hahare an'izany fanontaniana mipetraka izany fa i Øyvind Dahl, hatrany dia manamarika hoe:
ny fahitana ara-tsipika dia tsy azo lavina fa fepetra mialoha lalana ny fanindostriana sy ny fanabiraoiana
Maka lesona ny modely japone izay, na dia nandray ny fahitana monokronika aza ry zareo dia tsy nanary tanteraka ny fahitana polikronika na izany aza.
Eny tokoa, Almoamen Abdalla dia gagagaga fa na dia faran'izay sarotiny amin'ny fanajampotoana aza ny Japone rehefa manomboka zavatra, dia tsy rototra indray ry zareo rehefa hamarana. Ohatra hoe rehefa mivory, ataontsika hoe manomboka amin'ny 2 ora, ny olona rehetra dia eo avokoa amin'ny 2 ora, tsy misy tara na dia iray segondra aza. Fa raha ohatra hoe io fivoriana io dia tokony hirava amin'ny 4 ora, dia tsy maika ry zareo handeha, ny mifanohitra amin'izay aza, maka fotoana ry zareo mamarana tsara araka ny tokony ho izy izay tokony ifampiresahana ao sady mankafy ilay fotoana.
Notsetahan-dry zareo ny maha zava-dehibe ny fahitana ny fotoana monokronika nahatonga sy hampitohy hatrany ny fanindostriana sy ny fanabiraoiana, nefa na izany aza miara-dia amin'ny dindony izany raha ampiasa izay voambolana izay aho, misy an'izay filana tsy azo ihodivirana loatra te hankafy ilay amin'izao, tsy iharan'ny jadon'ny tarehimarika, ny ora, ny fotoana.
Jean-Joseph Rabearivelo, ao amin'ny amboaran-tononkalony "Sary-Nofy", dia niantsa hoe:
Dia nahalalany ny refin'ny fotoana resiny—
na vao avy naharesy azy.
Iza no mahalala, mety nahatsikaritra zavatra izato poeta amin'ny fomba tsitakatsaina izay rehefa zohiana fototra dia fototra. Nandresy ny fotoana, miditra ao amin'ny fahitana monokronika, ny fotoana nandresy lahatra ny Malagasy, ho soa ho azy izany, ao anatin'ny hetahetam-pivoarany, iza no mahalala...
Radama I, etsy ankilany, dia notoloran'i James Hastie famataranandro 🕰️. Nahafinaritra azy izany fihetsika izany ary nampihariny ny fotoana mirona tandrefana—izany hoe ny fahitana monokronika ny fotoana—nandrindrany ny fanjakany, fa na izany aza, tsy nanadino ny tetiandro manara-bolana izy—izay azo heverina hoe firaiketam-po amin'ny fahitana polikronika.
Araka izay voalaza rehetra izay, moa ny Malagasy dia tsy Japone
tsy nahavita nitsetaka fotsiny tamin'ilay fahitana vaovaon'ny fotoana satria nandamoka ny azy ny tokony ho vanimpotoana Meijiny?
Mety ho mafy hatrany ny mahare an'izany fa na izany aza raha hanandrana hamaly amin'ny fomba marina indrindra izany, dia ilaina loatra, sady tsy maintsy manondro aza, hoe eto, eto Madagasikara, dia mifantoka loatra amin'ilay fihevitra sy songon'ilay nasionalisma izay toa nosalaron'i Ranavalona I sady manakona tanteraka ihany ireo mpanjaka hafa toa an'i Radama I izay mendrika loatra raha andaniantsika fotoana.
Ao anaty lahatsoratra hafa nosoratako, izay hivoaka eto ao aoriana ao, dia nanoratra aho, ary amin'ny fomba mahitsy sy manapaka, mikasika ny vanimpotoana Meiji amin'ny loko malagasy talohan'ny fotoana, izay indrisy nandamoka:
Radama I dia nandray ny fahitana ara-tsipika ny fotoana tao anatin'ny vinany hanao ny fanindostriana sy ny fanabiraoiana ny fanjakany—Madagasikara—nefa tsy manipaka ny fahitana ara-pifandiasana ary nandray ho azy, tsy fantany akory, ny tenin'i Odon Vallette, ao amin'ny lahatsorany "Fotoana sy fivavahana" manao hoe:
Ny hadisoana lehibe dia ny mampifanohitra ny fotoana ara-tsipika sy ny fotoana ara-pifandiasana. Ny fotoana ara-tsipika dia toa avy amin'ny mponina jiosy sy ny riba grika, ny leson'i Abrahama sy Herodota izany toa nanome (...) an'ny olona Tantara, an'ny fiainana dikany ary an'ny fotoana zanatsipika.
Ny Grika sy ny Jiosy dia nitovy teo amin'ny fanatsoahany lesona ny tranga voadaty sy, noho izany, ny nanome dikany ny fotoana sady nampiseho fahamaroana eo amin'ny fanazavana ny lasa sy ny fanantenana ny hoavy.
Ny mponina jiosy sy ny riba grika dia toa hoe niteraka ny Andrefana, izany hono. Japana, amin'ny maha modely azy ho an'i Madagasikara, dia tokony hitoetra ao amin'ny resaka andavanandro. Izato Atsinanana tsy dia lavitra loatra, rehefa zohiana.
Ny fotoana namakianao an'ity lahatsoratra ity dia indray mahamasa-patsa, na sahabo 18 minitra. Sahabo, satria miankina amin'ny tsirairay, mifandraika izany, ny fotoana dia mifandraika, ary hoy ny tenin'i Albert Einstein izay hoe:
Apetraho eo ambony lapoaly mandritra ny iray minitra ny tananao, fa toy ny hoe adiny iray izany. Mipetraha adiny iray eo anilana tovovavy manja kely, fa toy ny hoe iray minitra izany. Izany no atao hoe fifandraika!
Ary amin'ny teny malagasy, dia misy fitenin-jatovo fantatry ny maro izay rehefa manomboka mitsiry fitiavana aman'olona manao hoe:
Tara aminao aho
Fotoana mamy any aloha any, ary ny fotoana dia tsy maintsy hisongona izato pandemia, ary mandritra izay fotoana izay, angamba mandinika an'izao zavatra izao sy izatsy zavatra izatsy, toy ny hoe, nahoana tokoa moa no tsy hanao zavatra amin'ny fomba hafa, amin'ny fomba TENA hafa, maka lesona amin'izay randrana manendrika hoy izay ohabolana iray izay.
Ny fotoana ananantsika, na ny fotoana manana antsika, na izy roa...
Loharano:
- https://www.nippon.com/fr/column/g00584/?pnum=1
- http://www.bibliothequemalgache.com/fiches/BML13.htm
- Singes & significations à Madagascar. Des cas de communication interculturelle, Øyvind Dahl
- https://www.20minutes.fr/insolite/2271335-20180515-japon-train-demarre-25-secondes-plus-tot-compagnie-ferroviaire-parle-inexcusable-desagrement
- Madagascar and its martyrs
- Ancestral Encounters in Highland Madagascar Material Signs and Traces of the Dead, Zoe Crossland
- https://www.facebook.com/photo.php?fbid=459537944438054&set=a.127042474354271&type=3&theater
- https://www.persee.fr/doc/chris_0753-2776_1998_num_57_1_2024
- https://usbeketrica.com/article/une-ile-norvegienne-veut-abolir-le-temps
- https://medium.com/@mosenjo/de-1800-%C3%A0-mes-r%C3%A9solutions-2019-872953d954bb
- https://www.franceculture.fr/sciences/la-theorie-de-la-relativite-generale-100-ans
- lahatsoratra fototra nivoaka tamin'ny 2020 (izay ho avy tsy ho ela ato) https://mosenjo.medium.com/la-notion-du-temps-%C3%A0-madagascar-ou-pourquoi-le-malgache-est-g%C3%A9n%C3%A9ralement-en-retard-et-pourquoi-cbca2f5bf601