LM 1 (Toko I - Taloha kelin'ny farandro) Tsy mba miantra ireo mpatory marainan’izao tontolo izao izany tokoa io ingahibe masoandro io na tamin’ny fahagolan-tany izany na tamin’io andro io.
LM 2 Nifofofofo indray ny rivotra ka nentiny lavitra ilay harona sase, nentiny nisidina iny kianjan’Ambohijatovo iny, Andohan’Analakely, Tranompokonolona, saika naviliny ho eny amin’ny Totohabaton’Antaninarenina iny nefa narosony indray ho any amin’iny Tsangambaton’i Jean Ralaimongo iny
LM 4 Vetivety ihany dia nidify teny amin’ny kihon-dalana teny ambody fiakarana Rabe ka ilay tsangabato fahatsiarovana an-dRatsimandrava sisa no nobanjinin’ireto goaika sady nanongilan-tsofina toa niezaka nanakatra feo tsy hay hoe avy aiza, tsy hay hoe an’iza izato vorona.
LM 5 (Indray alahady izay) Ny hazon-damosiny angamba no nasainy nihaino izany hafatra izany fa ny voamasony notarafin’ny hazavan’ny tele tsy niala tany amin’ilay sarimihetsika nojereny hany ka vao dila ny reniny dia natsipiny teo amin’izay seza teo akaikiny teo fotsiny ilay pataloha.
LM 6 Ny taona 1889 kosa no nampitondra ny taratasy tamin-dRainilaiarivony tao Ambohimanoro Ranavalona III rehefa nanorina ny fiangonana Saint Laurent tao rizareo.
LM 7 Tsy nampoizin’ireo izay nanorina an’io tonelina mampitohy an’Ambohijatovo amin’ny faritra atsinananan’Antananarivo io mihitsy koa tamin’ny 1938 hoe afaka taompolo maromaro aty aoriana, rehefa rava ny Mandan’i Berlina, dia hisy fiara
LM 8 Nakipilin’ny rivotr’ilay takisiabe ny sangany, vao mainka nikorontana ny volony, toy ny an’ny Lucky Luke raha nanao soribilana fa tsy nahalala fihogo fotsiny.
LM 9 Toy ny kimiaramila filalaon’ny ankizy kely ny fahitan’i Lisy ny haben-dRabe sy ny reniny ery lavitra azy ery, midina ny Lalana Tsiombikibo hamonjy ny Tranovato Ambatonakanga.
LM 10 (Nifanojo ny mason'i Lisy sy Rabe) Ny nahafinaritra an-dry zareo manokana tamin’izany dia ny namandrika akanga dia toy ny fanaon’ny ankizy ankehitriny mbola mamandrika fody, indrindra fa ireo kilonga lavitra tanàn-dehibe.
LM 11 Fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa, asa na noho ilay fony mbola taitra tsy nitony tsara nidobodoboka tsiankiato teo am-baravaran-dRafahafatesana na noho ilay satroka ba tsy matiny lolo tao am-paosiny na noho ilay sarina mompera manga
LM 12 Dia toa ireny tsiky mambabo sendra mifanena eny an-dalana ireny tokoa ve? Manjelatra ny fo, tsaroana foana foana, ezahana tadiavina eraky ny tampon-tanety, antenaina hoe hipoitra isak’izay toerana aleha, karohana eraky ny Facebook nefa tsy hita mihitsy.
LM 13 Nisy ra kely nitete teo amin’ny fihirifan’ilay tovovavy namonjy ny takolany, nofafany haingana tamin’ny lamba notafiany.
LM 14 (Indro fa mingadona ny Farandro) Mpifankatia no nividy azy, mpivady vao, tiany dia tiany ilay 4L na dia nanondrana aza matetika, nanary an-dry zareo teny ankodahoda, tao anaty oram-baratra, tao anaty fitohanandalana, tany ambanivohitra, teny amorom-parihy fa tsy nahoany loatra, fiarany voalohany, tiany sady tsy foiny.
LM 15 Sakaiza akaiky dia akaikin'Andrianampoinimerina ity printsy Ratefinanahary ity, nankasitrahan-dRadama I fatratra sady zaodahiny rahateo, mpahay dipilomasia voalohany teto Madagasikara nanaitra ny mpanjaka an'i Angletera Georges V izay variana hoe hay tsy olon-dia izany mponina any Madagasikara
LM 16 Hontsa ny endrik’i Lisy, tsy tena hoe kotsan-dranomaso tsy akory fa nisy ranomaso tokana nikoriana teo amin’ny takolany saika nofosana.
LM 17 Nandrehitra ny telefoniny izy, alatsinainy ny andro, nasosasosany ny rantsan-tanany, nijery Facebook izy, nijery ny rindrin'ny namany maromaro, tsy nisy resaka faharavan'Antananarivo na ny kely aza, tsy nisy resaka havandra, vain'afo mihoson-dra nandoro izay rehetra nilatsahany.
LM 18 (Aiza no mifarana ny nofy ka manomboka ny tenaizy?) Tsy nanohitra akory fa lasa ny fo, tsy maninona, ento ho anao, rohito, trobaro, tsongoy, anaovy izay sitraponao rehetra, afeno, itsaho, oroy, poleso, dory, atsipazo, raiso, atsipazo indray, raiso, rangoty, safoy, fihino, vimbino, ario, zahao, ario indray, zahao, fihino, vimbino
LM 19 Ireo sary taloha miparitaka eraky ny Facebook porofo mitohaka amin’ny tenda fa nahafinaritra ery Antananarivo taloha. Nadio.
LM 20 Dia maka servieta ny reniny, dia fafany ny lohan-dRabe sady asainy manala akanjo haingana, dia fafany ny vatany, dia fonosiny bodofotsy, dia anaovany ravimboafotsy mafana miaraka amin’ny tantely no mimenomenona ihany izy.
LM 21 Niezaka niantso izy nanao hoe: “E!” saingy tsy nahaloa-peo fa ny vavany fotsiny no nisokatra ary ny endriny no niketrona, nanontany tena hoe nankaiza ny feony.