Abidia malagasy, teraka ny 28 martsa 1823
Tamin'ny 28 martsa 1823 ny abidia malagasy amin'ny endriny latina no teraka.

Tamin'ny 28 martsa 1823 ny abidia malagasy amin'ny endriny latina no teraka. 📜✍️
Radama I sy David Jones, misionera sy lingoista ikoizana galoà 🏴 no nanolotra izany, ary nanova tanteraka ny tantaran'i Madagasikara izany dingana goavana izany. Talohan'izay, sorabe no soratra nampiasaina, saingy olona voaisa amin'ny rantsantanana ihany no afaka nianatra izany, ho ana elita irery ihany, anisan'izany Radama I izay—soa fa—mba nahiratra ka nanapakevitra hoe aleo hanoratra isika, ary aleo hanoratra daholo ny vahoaka malagasy manontolo. Izay no faniriany tamin'izany.
David Jones sy ny ekipany, na Jaonjilava (anavahana azy amin'ilay Jones iray hafa mpiaramiasa aminy, Jaonjifohy, izay—azonareo an-tsaina fa—fohifohy kokoa), no nandika ihany koa ny Baiboly ✝️ amin'ny teny malagasy, niaraka tamin'i David Griffiths. Lahasa goavana dia goavana avokoa izany. Ny serzà Robin, miaramila frantsay sekretera manokana sy dekan'i Radama I no nampianatra ny mpanjaka namaky teny sy nanoratra amin'ny latina. Radama I—izay tsara tsahivina hatrany fa—efa nahay namaky teny sy nanoratra tamin'ny sorabe talohan'izay. Robin no nanoratra ny teny malagasy tamin'ny fomba latina voalohany fa i David Jones sy ny ekipany kosa no namorona ny fitsipika sy nandrafitra ny fanoratra.

27 taona i David Jones tamin'izany; Radama I, 30 taona.
Talohan'io abidia latina io, ankoatra ny sorabe, dia efa nisy koa ny soratra hafa (tamin'iny faritra Azia Atsimo-Atsinanana niavian'ny razandrazana iny), saingy ho ana olom-bitsy hatrany ilay izy, ary very an-javona teny. Fanirian-dRadama I ny hahaizan'ny zaza malagasy manontolo mamaky sy manoratra ary tsy izay ihany fa hahaizan'ny zaza malagasy an'izao fahalalana amam-pahaizana rehetra izao ka tsy hahamena-mitaha ny Malagasy amin'ny mponina hafa.
Tsetsatsetsa tsy aritro:
Ny abidia koreanina 🥢 ohatra izao, tamin'ny 1443 no noforonin'ny mpanjaka Sejong (sy ny ekipany).

Talohan'izay efa nahay namaky sy nanoratra ry zareo, saingy tamin'ny teny sinoa, ary ny antony namoronany ny abidia koreanina antsoina hoe hangola, dia satria sarotra ho an'ny saramba ny hianatra ny teny sinoa izay, sarotra dia sarotra, ary sarotra hianarana kokoa hany ka lasa ny elita ihany no mianoka ny fanabeazana sy fisokafana entin'ny boky fa tsy ny rehetra.
Taona vitsivitsy monja taorian'ny 28 martsa 1823 nanapahana hevitra hoe ndao atao abidia latina ny teny malagasy, dia nanomboka nisokatra ny sekoly ary 2300 mahery ny ankizy mpianatra nahay namaky teny sy nanoratra. Marihana fa teo amin'ny 800 tamin'ireo mpianatra ireo no ankizy vavy.
Izany hoe—tsara marihana ary hamafisina fa—tsy nahilika tamin'ny fanabeazana velively ny vehivavy 🚺 tamin'izany, 200 taona lasa. Taty aoriana vao nipetraka izay olana izay.
Taona vitsivitsy monja taorian'ny 28 martsa 1823 dia vita izany.
Nanomboka niroborobo ny fahalalana.
Radama I 🤴 izy tenany mihitsy no:
- mitsidika ny sekoly,
- manaramaso,
- manadina mpianatra,
- mankahery ny ankizy.
Nandala fahalalana rahateo moa Radama I koa tsy tena mahagaga izany. Nandala fahalalana izy rehefa tsy variana nisotro 🥃 sy niliba 🥳.
Anisan'ny nahavariana ny vahiny tamin'ny taona 1800 iny dia navitrika ery ny ankizy kely handeha hianatra ary mora mahay izaitsizy rehefa hay ny mampitsiry fitiavana hianatra ao aminy. Mifanohitra ny tany Eoropa hoe ny ankizy indray dia kivy hiainga ao an-trano, ary miferinaina mihitsy aza, ary nitotorebika rehefa maneno ny lakolosy firavana. Mifanohitra amin'izany ny mpianatra malagasy tamin'izany, hoy hatrany ry zareo.

Nanaraka taty afaran'ny nahaterahan'ny abidia latina malagasy sy ny ezaka fanapariahana izany tamin'ny vahoaka manontolo:
- ny sekoly fampianarana ankapobeny sy teknika,
- ny fisiana avaratsaina niofana tao an-toerana sy tany ivelany,
- ary ny nahaterahan'ny literatiora malagasy.
Zava-dehibe loatra ny fampiarana abidia.
Ary misokatra ho an'ny vahoaka manontolo.