Ilay ankizivavikely sy ilay voay

Indray andro hono, nisy ankizivavikely mahafatifaty kely nirahina nanatitra sakafo tao anaty harona tany amin'ny bebeny

Ilay ankizivavikely sy ilay voay
Ilay ankizivavikely sy ilay voay, by Kverba
audio-thumbnail
12 Ilay ankizivavikely sy ilay voay
0:00
/285.907007

Raha amin'ny teny frantsay, dia peho eto 👇

La petite fille et le crocodile
Il était une fois, une petite fille très mignonne qui alla apporter un bon repas dans un panier à sa grand-mère

Indray andro hono, nisy ankizivavikely mahafatifaty kely nirahina nanatitra sakafo tao anaty harona tany amin'ny bebeny.

Raha nandalo teny amoron-drenirano izy dia nifanena tamina voay. Mbola tsy nahita voay mihitsy ilay ankizivavikely ary tsy nahalala na inona na inona momba ny voay mihitsy.

"Tsara fanahy ve ianao?", hoy ilay ankizivavikely mantsy an'ilay voay.
"Tsara fanahy mihitsy aho", hoy ilay voay, nandainga taminy sady nilela-molotra ihany izy, te hihinana mafy an'ilay ankizivavikely saingy tsy sahy fa sao misy mahita.
"Tena tsara fanahy?"
"Tena tsara fanahy mihitsy aho"

Dia falifaly ilay ankizivavikely.

Hoy ilay voay taminy:

"Ary ho aiza ianao izany?"
"Ho any amin'i bebe", hoy ilay ankizivavikely.
"Inona no entinao ao anaty harona?"
"Sakafo ho an'ny bebe"
"Tia voninkazo ve ianao?"
"Tena tia voninkazo be mihitsy aho"
"Aiza izy no mipetraka?"
"Ery amin'iry trano ery e"

Dia lasa nitsoboka tao anaty ilay voay, namonjy haingana teny akaikin'ilay tranon'ny bebeny.

Nony nanakaiky ilay trano ilay ankizivavikely dia nipoitra tampoka ilay voay, ka hoy izy taminy:

"Tsy ao ny bebenao fa nisy zavatra tsy maintsy nalehany maika fa nanafatra tamiko izy hoe mba jerijereko ianao sao mangingina"
"Mangingina tokoa aho raha izaho irery no eto"
"Sao dia hanaraka anahy ianao fa andeha hioty voninkazo aho?"

Dia falifaly ery ilay ankizivavikely. 

Nony lasa lavidavitra kely, dia hoy indray ilay voay:

"Nanafatra ihany koa bebe hoe hano hono ilay sakafo fa sao noana ianao"

Dia falifaly ery ilay ankizivavikely fa noana tokoa izy, dia nihinana. Ilay voay tamin'io falifaly ihany koa fa vao mainka matsiro ny sakafony rehefa avy mihinana tsara.

Nony avy nisakafo ilay ankizivavikely dia gaga izy hoe hafahafa ny fijerin'ilay voay azy.

"Ary maninona ianao no mijery anahy toa izao?"
"Ka mahafinaritra ny mijery anao"
"Ary maninona ianao no manatona anahy toa izao?"
"Ka te ho anilanao aho"
"Ary maninona ianao no misoka-bava toa izao?"
"Ka te hihinana anao aho"

Dia iny andeha hihanana anazy iny ilay voay no nisy mpihaza sendra nandalo, ka nilefona avy hatrany an'ilay voay. Nilentika tao am-bavany ny lefony, ka nitsoaka nandositra tany anaty renirano izy sady nikonainaina.

Dia naterin'ilay mpihaza tany amin'ny bebeny ilay ankizivavikely, ka nanomboka teo hono dia niteny tamin'ny bebeny ilay ankizivavikely hoe ampianaro aho hahay hanavaka ny olona tena tsara fanahy sy ireo izay mody milaza azy ho tsara fanahy.


💡
Le Blog de Mose Njo est gratuit, si vous voulez contribuer à garder cette gratuité du Blog pour un libre accès inclusif, achetez Lisy Mianjoria en cliquant ici (si vous êtes hors Madagascar) ou dans toutes les bonnes librairies ou encore un tips, ce serait bien sympa 🤗

👇👇👇